
Asa raha fanimpiriny amin’ireo fitsaram-bahoaka mahazo ireo tontakely mameno ny arabe sy elakelan-tranon’Antananarivo ity tratra teny Ampefiloha ity, omaly. Saingy mahazo ny sahaza azy ny eo, tsy mety fay ny hafa. Mpanendaka iray manodidina 23 taona teo ho eo indray no azon’ny fokonolona tetsy Ampefiloha, rehefa avy nanao ny asa ratsiny teo akaiky fijanonan’ny taxibe manandrify ny Immeuble Fiaro teo, omaly hariva tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any. Raikitra ny fanenjahana ary tsy namelan’ny olona raha tsy azony, eny fa na dia efa zatra mpikotrana eny amin’ny tohatra “416” eny, na mpiondana ireo mpilalao haingam-pandeha ao amin’ny “barca” aza ranamana. Araka ny fitantaran’ny olona, nahita maso ny asa ratsy nataony dia, ramatoa avy eny amin’ny banky no efa notilian’ity olon-dratsy ity ary lasa tamin’izany ny pôketrany nisy vola. Ny teo anivon’ny pôlisy no nanazava fa mpangalatra findain’ireo olona ao anaty fiara ity tovolahy tratra ity, niaraka tamin’namany roa hafa, izy afa-nitsoaka. Tsy nihanom-potsiny ireo nahita fa avy hatrany dia nanenjika, ary tratra tao alohaloha tao izy. Dia efa tantara mahazatra ny tohiny. Mpangalatra eo am-pelantanan’ny fokonolona izany, tsy ho afa-bela raha tsy ainy no manaraka. Nalemilemy sy afa-nihetsika intsony ity tovolahy ity, niaritra ny daka sy daroka nahazo azy. Efa nandeha ary ny resaka ny amin’ny fandoroana azy velona. Naheno ny fisian’ity tranga ity ireo mpitandro filaminana, tsy lavitra teo, ka izy ireo no niaro sy nibata ity mpanendaka ity, hiala eo ambany rangotr’ireo olona efa romotra dia romotra. Fanimpiriny tokoa, raha izay mpanendaka voasambotry ny fokonolona izay ? Iza ary no tokony omen-tsiny, ireo mpitandro filaminana ve ? Raha ireny mpanondro lalàna ireny aloha dia anarana sy fitafiana fotsiny angamba, ny maha mpitandro ny filaminana azy. Na tranga miseho eo ambany masony izao aza, toa hodiany fanina fotsiny. Tsy hodian-tsy hita kosa anefa etsy andanin’izay ireo vy very ny ainy sy manao izay ho tsinotsinona, entina hamongorana ny asan-jiolahy, ka mety hafoiny ao anatin’ny indray mipi-maso. Ireo mpangalatra ve ? Ekena fa misy ireo tsy maty manota, fa misy amin’izy ireny no noana, tsy mahita hanin-kohanina sy hamelomana ireo vady aman-janany intsony ka manita-tsaina, amin’ny fitadiavam-bola moramora, ka ny aina no manefa avy eo rehefa tratra. Ny vahoaka ? Mivadika ho biby mihitsy rehefa sendra eo am-pelantanany izay ireo olon-dratsy. Tsy omena tsiny izy ireo satria, herim-pony no very ary mety ho ny aina mihitsy no manaraka amin’ny andro hafa. Dia iza ary …
m.L10