- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Mpianatra eny amin’ny oniversite mibizna héroïne

Ampefiloha : Mpianatra eny amin’ny oniversite mibizna héroïne

Mpianatra taona fahefatra eny amin’ny Anjerimanontolo

Tratra ambodiomby teo am-pivarotana zavamahadomelina « héroïne ». Lehilahy iray 28 taona izay mpianatra eny Ankatso no voakasik’izany, raha araka ny fanazavan’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zavamahadomelina. Ny zoma teo, amin’ny andro antoandro, izay tokony ho tamin’ny roa ora, no hitan’ny mpitandro ny filaminana izay efa nanao fanarahan-dia azy ity tovolahy. Teo amin’ny zaridainan’Ampefiloha izy no tsikaritra ho nanao fihetsika hafahafa. Teo koa no nahitàna fa hivarotra ireo héroïne tao anaty fonosana no tena anton-diany. Nosamborina avy hatrany ary natao ny fisavàna azy. Fonosana misy héroïne 99 girama no tratra teny aminy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia tombanana ho folo tapitrisa ariary raha kely indrindra ny vidin’izany. Nandeha ny fanadihadiana ary fantatra teo fa mpianatra ao amin’ny taona fahefatra amin’ny sampana mpandinika ny fiarahamonina ilay lehilahy. Nohazavainy fa afrikana iray no mpanome entana azy ary mitentina iray tapitrisa ariary ny girama. Notsipihany koa fa efa telo taona izay no nataony io asa io ary izao izy vao voalohany tratra. Eto an-drenivohitra dia matetika eny amin’ireny toeram-pisotroam-bazaha ireny no tena mitobaka ny afera cocaïne sy héroïne. Ireo Afrikana no tena mpamatsy izany ary andrasana ny mba hisian’ny fanadihadiana mirona any amin’ireny toerana ireny. Tsy ho zakan’ny gasy rahateo ny vidin’ireny zavamahadolemina ireny ary mazava izany fa ireo vahiny mandalo no tena mpividy ary vahiny ihany koa no mpanelanelana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici