- Publicité SW45 -
dimanche, juin 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Mpianatra notrongisin’ny fiara, tapa-tànana

Ampefiloha : Mpianatra notrongisin’ny fiara, tapa-tànana

Tovolahy iray avy nianatra handeha hody, no tapa-tànana omaly hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany tany ho any, tetsy Ampefiloha. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso ny loza, dia nanapaka làlana tampoka ity zazalahy ity no sady nisangy tamin’ny namany, ka tsy nahatazana ilay fiara somary nandeha mafy nisongona taksibe nanala mpandeha. Notrongisin’ilay fiara tsara tarehy P.206 izy, ka nanidina ary nitrosona tamin’ny tany avy eo. Vokatry ny dona mafy nihatra taminy, no nahatapaka ny tànany havia, hoy ny vaovao voaray. Matetika isehoana lozam-pifamoivoizana foana eo amin’io toerana io, indrindra eo amin’ny fiolahana tsy lavitra ny vavahadin’ny ANS, hoy ireo mpivarotra eo amin’ny manodidina.
Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser