Ny zoma lasa teo no nitrangan’ity fivarotana tany tao anaty hosoka ity ka rangahy iray no nividy tany mirefy 1,5a, tetsy amin’ny By-Pass, izay mitentim-bidy 2.400.000Ar. Natao ary ny fifanarahana ara-barotra sy ny fanomezana ny taratasin-tany izay vaomarika avy hatrany fa tsy amin’ny anaran’ity mpisoloky ity. Nisy koa ny vola naloa tao anatin’io sandam-bola io ihany, izay mitentina 100.000Ar ,teo anatrehan’ny mpisolovava iray. Nony vita ary ny taratasy sy ny fanomezana ny vola dia nanomboka tsy hita intsony ity mpivarotra , naleha tany an-tranony ary ity lehilahy, ny vadiny no tratra tao ary talohan’izay dia efa nanatona ny manampahefana ireto voasoloky, ka dia nametrapetraka ny vela-pandrika hanjonoana ity mpisoloky ity. Nomen’ireto voasoloky fotoana ny talata maraina teo ary ity lehilahy ka tonga tokoa, ary avy eo dia nentin’izy ireo nisakafo teny amin’ny hotely iray teny Ampefiloha, tsy nanampo na inona na inona. Teo no natao ny fisamborana ka nanaovana ny fanadihadiana rehetra momba ity zava-nitranga ity.
Nanaiky ary ny lehilahy fa nisy tokoa ny fisolokiana ary mbola vonona izy hifampiraharaha ka hanolo izany vola efa lasany izany. Hatramin’izao aloha dia mbola eo am-panaovana raharaham-pihavanana ilay mpisoloky fa ny tsy fantatra kosa dia ny hoe raha tsy mahita ilay vola ve ity mpanao hosoka dia inona no mety ho tohin’ny tantara? Raha ny marina mantsy dia tokony hatolotra ny fitsarana androany alakamisy ity raharaha ity.
ALEM