Tao anaty hamehana no nitranga tampoka ny lozam-pifamoivoizana tetsy Ampefiloha, teo ampitan’ny Immeuble Fiaro. Tokony ho tamin’ny sivy ora latsaka fahefany maraina, omaly, raha efa dodona ny hamonjy an’Ivato ny kortezin’ny oloben’ny pôlisim-pirenena no nisy olona niampita tampoka. Voatery nijanona ny fiara teo aloha kanefa efa somary nandeha mafy. Vokatr’izany, tsy tafajanona intsony ny fiara tsy mataho-dàlana iray taoriany ary, mazava ho azy, nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Samy jeneralin’ny polisy no tao amin’ireo fiara roa, raha araka ny fanamarinam-baovao natao. Hamonjy ny lanonana famoahana amin’ny fomba ofisialy ny fivoahan’ny indraimihira izay misy komisera sy ofisie ny anton-dian’izy ireo. Izany dia notanterahina teny amin’ny sekoly ambonin’ny polisim-pirenena eny Ivato. Tao anaty hamehana, satria amin’ny sivy ora sy sasany maraina ny lera tokony nenjehina. Efa nasiana lamina manoloana an’izany ary natao kortezy ireo olona eo anivon’io vondrona io izay hanome voninahitra ny lanonana. Nitera-doza anefa ny fisian’ny mpandeha an-tongotra izay heverina ho tsy nisy fahamalinana raha niampita tampoka. Tsy nanakana ny kortezy tsy nandeha izany, saingy ilay fiara Hyundai Terracan miloko volon-davenona kosa dia tsy afa-nihetsika teo intsony. Nosintomina izany ary nentina avy hatrany tao amin’ny garazy iray izay havanana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny vy potika sy fandokoana fiara, teo Andavamamba. Ilay manamboninahitra jeneraly izay tompony koa dia tsy afa-namonjy intsony ny lanonana tetsy Ivato. Tsy nila vaniny tamin’ilay olona niampita kosa ireo oloben’ny pôlisy ary niezaka aza ny nanala faran’izay haingana ny fiara mba haka sisiny, mba tsy hiteraka fitohanan’ny fifamoivoizana be loatra ny zava-nitranga. Momba ny fahasimbana indray dia tsy dia naninona loatra ilay fiara tsy mataho-dàlana Nissan Hardbody teo aloha fa voa mafy kosa ilay Hyundai Terracan. Io farany moa dia naiditra garazy avy hatrany ary natomboka teo ihany ny fanamboarana azy.
D.R