- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Pelaka naratra mafy, nodarohan’ny olona

Ampefiloha : Pelaka naratra mafy, nodarohan’ny olona

Nandritra ny fampisehoana iray tetsy Ampefiloha, ny alatsinain’ny paka teo, pelaka iray no naratra mafy tokoa rehefa avy nosavoritahan’ny olona tao anaty fampisehoana. Tsy fantatra mazava izay zavatra niseho, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Tsy mahagaga rahateo ihany koa ny fisiana rombo anaty fampisehoana an-kalamanjana tahak’izao. Nanintona ny sain’ny maro ihany anefa ity tranga iray ity, rehefa velona ny hoe « aboridano !», « aboridano !». Samy nanatona ny olona, tsy dia nisy niraharaha firy ilay fampisehoana intsony. Andiana tovolahy maromaro no nanodidina ny « vehivavy » iray, samy namono azy. Ity farany, efa mivontovonto sy feno ratra ny tarehiny, noho ny daroka sy ny vono nahazo azy. Rehefa tena nodinihana ilay olona naratra, hay tsy tena vehivavy fa sarim-bavy. Fa inona no antony ? Fanontaniana tsy nisy valiny teny am-bavan’ny olona. Siosion-dresaka ny hoe, mety ratsy fiantsampy angamba ity sarim-bavy ity. Na mety ihany koa hoe nikaotikaoty ireo tovolahy, izay efa mamomamo rahateo ka diso fanantenana rehefa hitan’izy ireo fa lehilahy ihany ranamana, ka izay no anton’ny famonoana. Na dia teo aza ireo ontsa nahita ity olona rapa tanteraka, tsy nijanona izany raha tsy niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Nentina avy hatrany teny amin’ny tobim-pitsaboana izy nony avy eo. Raha ny « mariage pour tous » tany Frantsa no nahafan’ireo « homosexuel » (pelaka) niseho masoandro, mbola tsy eken’ny fiarahamonina eto amintsika kosa ny fisian’ireny sarim-bavy mitady lehilahy, na vehivavy miaraka amin’ny vehivavy ireny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser