Zatra ny lalan-dririnina noho ny resaka fisandoan’andraikitra sy fampiasana hosoka. Voasambotry ny polisy ny lehilahy iray mpisoloky sady mpisandoka andraikitra. Ny 24 novambra teo dia naharay antso ny « Directeur Général de l’Enseignement Technique et Professionnel » avy amina lehilahy iray mitonona ho « Conseiller Spécial » eo anivon’ny « Présidence de la République » ka nangataka fihaonana tamin’io Tale Jeneraly io. Tsy nisalasala ny Tale Jeneraly nandray an’ity lehilahy ity ny andron’ny 24 novambra io ihany, noho ny anaram-boninahitra nampiasaina. Nilaza ihany koa izy fa « Facilitateur » eo anivon’ny « UNESCO » ka misy « Projet » avy amin’io Vondrona « UNESCO » io izay mitentina efatra tapitrisa Euros ka ny « Ministère de l’Ensegnement Technique » no voafidin’ny Filoham-pirenena hisitraka ilay tetik’asa. Nangataka tamin’ny Tale Jeneraly noho izany ity lehilahy ity mba hametrahany ny « En-tête »-ny Ministera sy hametraka ny soniany amin’ny taratasy izay teny anglisy ranoray. Rehefa lasa ity lehilahy nitionona ho mpanolo-tsaina manokana ity dia nanadihady ny tany anivon’ny fiadidina ny Repoblika ny Tale Jeneraly ka fantatra fa tsy misy eo anivon’ity sampandraharaha ity ny anaran’ity lehilahy ity ary toy izany koa ny teo anivon’ny « UNESCO » izay milaza fa tsy mahalala ny fisian’ilay tetik’asa. Noho izany dia nampilaza ny Polisy ny tale ka rehefa niverina teny amin’ny Birao teo Ampefiloha ilay lehilahy dia noraisim-potsiny. Natao ny fisavana ny Biraony ka tratra tao ny fitombokasem-panjakana maro toy ny an’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, Ministeran’ny fitanterana, fitomboka an’ny fiadidina ny Repoblika, toy izany koa ny an’ny « Consul honoraire de Madagascar » any Singapour. Tratra tao amin’ny biraony ihany koa ny antotan-taratasy maro izay mampiseho ho tale jeneraly eo anivon’ny Ministera ny tenany. Rehefa nohadihadiana ny momba izany moa ity farany dia niaiky fa nampiasa ireo fitombon-kase ireo noho ny fiaraha-miasan’ny « Association House of Madagascar » izay tantanany amin’ireo Ministera voalaza ary misy kosa ny nambarany fa tsy tadidiny ny nahatonga izany tao amin’ny biraony. Marihina fa tsy manana fijoroana ara-dalàna io « House of Madagascar » io. Nahitana « Cartes de visite » maromaro izay milaza ny tenany ho mpanolo-tsaina manokana eo anivon’ny « Présidence » sy amin’ny Ministeran’ny Indostria ihany koa teny aminy. Rehefa nampitahana tamin’ny Kasem-panjakana tena izy ireo hita tao amin’ity lehilahy ity dia hita fa hosoka ihany koa ireo. Nanao fanamarihana ihany koa ny avy ao amin’ny fiadidina ny Repoblika fa tsy mpiasa ao amin’ny fiadidiany ity lehilahy ity. Voalaza koa fa efa misy Didim-panjakana manafoana ilay « Service » lazainy fa maha mpanolo-tsaina azy.Niaiky ity lehilahy ity fa nisandoka ireo andraikitra ireo. Nambarany nefa fa efa mpanolo-tsaina manokana teo anivon’ny « Service Civique » an’ny fiadidina ny Repoblika ny tenany. Natolotra ny fitsarana omaly ny raharaha. Omaly hariva dia fantatra fa notazomina am-ponja eny Antanimora ilay mpisoloky.
Yv Sam