Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany, ny alin’ny talata hifoha alarobia teo, no nirehitra ny afo tetsy Ampefiloha-Ambodirano, ampitan’Andohatapenaka. Tsy voafehy izany raha tsy tamin’ny iray mora maraina, ny alarobia. Manazava avy hatrany ny hamafin’ny firehetana izay niteraka fahasimbana zavatra maro. Trano 11 isa no indray kilan’ny afo ary niteraka tra-boina miisa 249 izany. Raha araka ny fampitam-baovan’ny minisiteran’ny mponina dia fianakaviana miisa 58 no voakasik’ity hain-trano ity. Ireo trano dia voatery tsy maintsy harodana satria tsy misy horaisina intsony hatramin’ny fototra. Samy nanana ny filazany ihany ny olona tamin’izay mety ho niandohan’ny afo. Tao no nilaza fa “court-circuit” no nitarika izany ary tao koa ny nangataka ny mba hanaovana fanadihadiana lalindalina kokoa, satria ahiana ho hetraketraky ny sasany no nitarika ny firehetana. Ankoatra ny fanampiana mahazatra avy amin’ny ministera mpiahy ny mponina dia nisy ny fametrahana asa atakalo vola mba hanadiovana haingana ny toerana mandritra ny dimy andro.
D.R