An-tapitrisany mahery no tetibidin’ireo entana kila forehitra omaly, nandritra ny firehetan’ny trano nitobian’izany tetsy Ampefiloha. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany tany ho any no nanomboka nidonan-tsetroka ny trano lehibe iray tetsy Ampefiloha, tsy lavitra ny tranoben’ny Cnaps. Nijolofotra nanaka-danitra avy hatrany ny setroka mainty, narahana lelafo nijoajoala tsy nisy toa izany. Hatairana ny an’ireo mponina teo amin’ny manodidina, indrindra moa fa ny an’ireo mpivarotra teny an-toerana. Nikoropaka sy niolomay samy namonjy ny tenany sy izay entana azo novonjena avokoa ny rehetra. Araka ny fantatra hatrany dia karazan’irony trano lehibe fitehirizana entana, na «entrepot», ity nataon’ny afo kilalao ity. Minitra vitsy monja taorian’ny nampandrenesana azy ireo no tonga ny mpamonjy voina niaraka tamin’ireo fiarabe mpamono afo maromaro. Tsy lavitra azy ireo ny toerana saingy nisedra olana izy ireo nony teny an-toerana noho ny lalana tery miditra any amin’ilay trano nirehitra sy ny hamaroan’ny olana, hany ka nanano sarotra ny famonoana sy ny fifehezana ny afo. Karazan’entana maromaro mora mirehitra rahateo avokoa ny tao anatiny. Antony nampiredareda sy nampitatra haingana ny afo, hoy ny fanazavàna azo. Tonga nanampy ireo mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna tamin’ny famonoana ny afo moa ireo miaramilan’ny CPC (Corps de protection civile) avy eny Ivato. Naharitra ora vitsivitsy araka izany ny nifehezana ny afo saingy mbola tsy maty tanteraka izany tamin’ny fotoana nanoratanay. Hatreto raha ny voalaza hatrany dia mbola tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga izao firehetana izao. Heverina fa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany no ahafatarana ny marina mahakasika izany. Marihana moa fa na dia teo aza ny hahalehiben’ny fahavoazana dia tsy nisy ny namoy ny ainy na ny naratra tao anatin’izany loza izany, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy tao amin’ny mpamonjy voina.
m.L