- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Tratra nangalatra « guirlande », roa lahy voasambotry ny pôlisy

Ampefiloha : Tratra nangalatra « guirlande », roa lahy voasambotry ny pôlisy

Fanimbana sy halatra fananana iombonana. Azo antoka fa ireo no vesatra hanenjehana ireo roa lahy tra-tehaky ny pôlisy teo am-panongotana ireo jiro mirehidrehitra eny amin’ireo andrin-jiro mandravaka ireo lalana ireo eto lalana eto an-drenivohitra. Teny amin’iny faritra Ampefiloha iny no voapaingotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra izy roa lahy ireto ny andron’ny talata lasa teo. Nanomboka ny andron’ny nankalazana ny krismasy teo no napetraka handravaka ny lalana eto an-drenivohitra ireo jiro mirehidrehitra na « guirlande » isan-karazany. Indrisy anefa fa mbola maro hatrany ireo tsy mahay manaja ireny fananana iombonana ireny ka tsy mihevitra afa-tsy ny hanararaotra sy hangalatra. Toy ireto roa lahy ireto, tetsy amin’ny faritra Ans Ampefiloha, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Tamin’io andron’ny talata io tokoa mantsy, tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any, raha teo am-panaovana fisafoana toy ny mahazatra ireo mpitandro filaminana no nahatsikaritra ireto roa lahy ireto, teo ambodin’ny andrin-jiro lehibe iray. Somokitra dia somokitra mihitsy izy ireo, miezaka manongotra ny fipetrahan’ity haingon’arabe ity. « Niroso tamin‘ny fisamborana avy hatrany moa ny mpitandro ny filaminana raha vao nahita io tranga io. Tsy afa – nihetsika Ireo olon-dratsy ireto fa noraisim-potsiny » hoy ny vaovao. Tamin’io fotoana io ihany moa dia nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria ireto mpanimba fananam-bahoaka ireto ho amin’ny famotorana azy ireo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici