- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Varotra basy, mpitandro filaminana roa nalefa any am-ponja

Ampefiloha : Varotra basy, mpitandro filaminana roa nalefa any am-ponja

Toarian’ny nampiakarana teny amin’ny Fampanoavana, omaly faha- 9 septambra ireo olona efatra voarohirohy amina varotra basy niseho teny Ampefiloha, fantatra izao fa notazonina am-ponja avokoa izy ireo, tsiahivina fa roa dia mpitandro filaminana am-perinasa.

Efa maro moa ny vaovao nosoratana mikasika ity fivarotana basy ity. Nivoatra hatrany anefa ny raharaha. Tamin’ny voalohany, olona roa no tratra niaraka tamin’ny basy PA. Rehefa nandeha ny fanadiahadiana, tafakatra efatra ireo nosamborina. Ny vaovao avy amin’ny polisy no nahalalana fa ny faha-2 septambra lasa teo, nahazo vaovao ny tao Tsaralalàna nilaza fa misy olona mikasa ny hivarotra basy kalchnikov eto an-drenivohitra ka 3 tapitrisa ariary no vidiny. Tsy niandry fa natao ny vela-pandrika ka raikitra fa 2,8 tapitrisa no hividianana ilay basy. Nifamotoana ny talata faha-6 septambra ny roa tonta, mpividy sy mpivarotra. Niantso indray anefa ilay mpivarotra ny faha-5 septambra fa efa lafo ilay Kalach fa basy PA indray no misy ka 2,4 patiptrisa no vidiny. Rehefa avy nifampiresaka teo, raikitra ny varotra. Natao ny fotoana ka teny Ampefiloha no hifankahita. Ny faha-6 septambra, nanao fanaraha-maso ilay toerana ny polsiy nanomboka ny maraina. Tamin’ny 12 ora tany ho any vao tonga ireo hivarotra basy. Avy hatrany dia natao ny fisamborana olona roa. Ny avy ao amin’ny « Unité d’Intervention Rapide » (UIR) sy ny Surêté Urbaine de Tananarivo ( SUT) no nisahana ny fisamborana. Tratra tany amin’ireo roalahy ny basy PA roa niaraka tamin’ny « boîte à chargeur » feno bala valo. Tao anaty fiarana olona ambony iray misy « cocarde » ireo roalahy ireo no nalaina. Nisy olona iray nolazaina fa mpanelanelana afaka nandositra tamin’io andro io. Ny vaovao nampitain’ny mpanao famotorana hatrany no hilazana fa niteny ireo voasambotra fa mpitandro filaminana amperin’asa ary mpiambina olona ambony.

Tsy nijanona teo ny raharaha fa natao ny fitadiavana ilay tafatsoka. Teny Mandrosoa Ivato ny anao lahy no tratra ny faha-7 septambra vao maraina be. Rehefa nofotorana ireo olona tratra dia nilaza fa hivarotra basy tokoa saingy tsy azy ny basy amidy fa ana mpitandro filaminana iray hafa. Nantsoina ho any amin’ny biraon’ny polisy io olona voalaza fa tompon’ny basy io. Rehefa nohadihadiana izy dia nandà hatrany ny fiampangana azy. Manamafy anefa ny mpanao famotorana fa rehefa nojerena ny SMS rehetra tao amin’ny findainy dia voamarina fa miresaka ny momba ilay fivarotana basy avokoa.

Tetsy andaniny, nilaza ireto olona ireto fa efa tena lafo tokoa tamin’ny faha-5 septambra ilay Kalach fa tsy fantany ilay olona nividy azy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici