- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Vehivavy maty nihinjitra teny an-dalana

Ampefiloha : Vehivavy maty nihinjitra teny an-dalana

Omaly antoandro, olona maromaro no niaraka teny an-dàlana teny amin’ny faritr’Ampefiloha. Tampoka teo anefa, narary ny iray tamin’izy ireo. Tonga dia nihinjitra izy ary avy eo nianjera. Araka ny resak’ireo izay nahita dia narary tampoka ity olona ity. Rehefa nojerena akaiky, efa tsy nisy aina intsony. Vehivavy 35 taona ity maty teny an-dàlana ity. Ny loharanom-baovao ihany no nahalalana fa saika handeha ho any amin’ny toeram-pitsaboana ry zareo omaly io. Tsy tonga tany anefa dia izao tsy tana izao ny ainy.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser