- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Vehivavy nolazaina ho mpanendaka, nosamborina sy nodarohan’ny mpitandro filaminana

Ampefiloha : Vehivavy nolazaina ho mpanendaka, nosamborina sy nodarohan’ny mpitandro filaminana

Tsy any am-pitandranomasina, tsy eto an-tanindrazana fa toa manampatra ny fahefana kely eo aminy mihitsy ireo mpitandro filaminana. Toy izany ity nitranga teny Ampefiloha ity, ny alakamisy lasa teo. Vehivavy iray no nosamborin’ny mpitandro filaminana iray izay milaza fa miasa eny anivon’ny prezindasa. Nolazainy tamin’izany fa hoe mpangalatra ity vehivavy ary nanendaka ny peratra volamenan’ny vadiny. Teo imason’ny olon-drehetra sy mpiara-monina aminy teo no nanaovany izany fihetsika izany. “Tsy vitan’izay, hoy ny fianakaviany tonga teto aminay fa nambanana tamin’ny basy, nofatorana ary notaritina nentina tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana izy. Teny an-dalana dia mbola nodarohana ihany koa ity havanay ity”. Raha ny nambaran’izy ireo dia ny zoma teo ihany no niakatra Fampanoavana ity vehivavy nolazaina fa mpanendaka ary avy hatrany dia nadoboka any am-ponja. Mitaraina amin’izay fomba mamoehatra nataon’ity mpitandro filaminana ity, araka izany, ireo havany. “Marobe ireo mpiara-monina aminy no tonga teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana nilaza ny tsy maha olo-meloka ny havanay. Efa an-taonany maro nipetrahana teo an-toerana izy ary fantatry ny rehetra ny toetrany. Ambonin’izay, manana ny asany ara-dalàna ihany koa ity vehivavy ity, dia ny fampianarana mandihy, ary fantatr’olona amin’izany izy”. Manahy zavatra ambadika araka izany ireo fianakaviana ireto ka miantso ny tompon’andraikitra hijery akaiky izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici