Trangam-piarahamonina tsy dia fahita na fandre firy no nitranga tetsy Ampefiloha, tsy lavitra ny lalamby, omaly naraina tokony tany amin’ny 9 ora latsaka kely tany ho any.Vehivavy bevohoka sahabo ho 20 taona no teraka tao anaty fiarakaretsaka nandehanany. Tao anaty fitohanana vokatry ny lozam-pifamoivoizana noho ny taksibe 133 sy fiara Hundai nifadona no latsaka ny zaza ka variana ny mpitazana. Raha ny fanazavana azo dia handeha hiteraka eny amin’ny hopitaly ity tovovavy ity, notronin’ny reniny sy ny rahavaviny, no nihetsi-jaza ka izao teraka tao anaty taxi izao.
Manitrisa