- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Voaendaka ny iray taxi-be rehefa notifirina big-boss

Ampefiloha : Voaendaka ny iray taxi-be rehefa notifirina big-boss

Mivoatra hatrany ny paik’adin’ny jiolahy raha oharina amin’ny zava-nisy tato ho ato. Taorian’ny fandrarahana asindra ny mpandeha taxi-be dia izao indray big-boss no ampiasin’ny olon-dratsy…

Hafakely ary tsy dia mbola nitranga firy indray ity karazana fanafihan-jiolahy ity. Enin-dahy izay mitondra big-boss no niditra tao anatin’ny taxi-be iray omaly, manodidina ny tamin’ny efatra ora hariva. Teo amin’ny tambohon’ny complexe scolaire etsy Ampefiloha izy ireo no niditra ary tetsy Ambalavao-Isotry no nivoaka, mazava ho azy rehefa vita ny asaratsy. Notifirin’ireo tamin’ny bigboss nentiny ny iray taxi-be ary jenjina tanteraka. Rehefa vita izany dia nanaram-po tanteraka tamin’ny fanendahana izay entana rehetra tiany ireo olon-dratsy. Lasa ny finday, ny firavaka teny an-koditra ary mazava ho azy fa lasa koa ny vola. Tsy nisy afa-maina ireo mpandeha rehetra tao anatin’io fiara fitaterana io. Tsy navela hitodika kosa ny mpamily ary nandritra ny toeram-piantsonana roa samihafa dia niala ilay taxi-be ireo jiolahy. Nandeha tsotra teny amin’ny arabe, toy ny tsy avy nanao ratsy. Raha tsiahivina dia vao roa andro koa izay no nisy olona nidiran’ny olon-dratsy tao anaty fiarakaretsaka ary nalaina ny vola teny aminy izay maherin’ny telo tapitrisa ariary. Midika izany tranga roa izany fa isan’ny lasibatry ny jiolahy indray ny mpandeha fiara fitaterana. Efa mateti-pitranga ihany izany saingy eny amin’ny lalam-pirenena. Mahatonga saina kosa ny zava-nitranga rehefa eto an-drenivohitra be ety no sahin’ny jiolahy hidirana ny fiara fitaterana, amin’ny andro antoandro be, ary endahina ny olona ao anatiny. Midika ihany koa izany fa mikaroka ny jiolahy ny amin’ny fomba mety hanatontosany mora foana ny asaratsiny. Hatreto mantsy dia toa tsy nisy nahatsikaritra mihitsy ny fanafihana nataon’ireo. Ekena fa tsy ho ary ho voafehin’ny mpitandro ny filaminana avokoa ny fandriam-pahalemana sy fiarovana ireo taxi-be sy fiarakaretsaka izay efa aman’aliny eto an-drenivohitra. Heverina kosa fa andraikitr’izy ireo ny mba manao fikaroham-bahaolana manoloana ny tranga vaovao ary manentana ireo mpitatitra ny amin’izay paika tokony hatao mba hiarovana azy ireo sy ny ain’ny mpanjifa, dia ny mpandeha fiara fitaterana izany. Aiza ve ka aorian’ny fandrarahana asidra ireo mpandeha dia izao koa tifirina big-boss indray izy ireo dia endahina…Mijaly loatra ny mpafija !

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser