Tsy mbola hita hatreto ! Nitrangana hala-jaza, imasom-bahoaka teny amin’iny faritra Ampefiloha iny omaly antoandro tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any. Raha ny fantatra dia zazakely iray amam-bolana no nisy nisintona, teny am-pitaizana azy. Raha ny voalazan’ireo olona nanatri-maso ity tranga ity, dia ramatoa iray mainty fihodirana, somary lava ary miteny amin’ny fiteny tsy fantatra no naka ity zazakely ity. Raha ny fitantaran’ny renin’ity zaza ity dia teo am-panoloana an’ilay zaza ilay mpanampy no nosintonin’ilay ramatoa tsy fantatra ary nentiny avy eo. Nifanenjehana anefa, raha ny voalazan’ ny olona hatrany, saingy avy hatrany dia niondrana tanaty fiara tsy mataho-dalana iray efa niandry azy teny an-toerana izy ka indrisy fa tsy tratra intsony. Araka ny voalazan’ny mpitandro filaminana, dia mpianatra amina sekoly ambony eny Ampefiloha ny ray aman-drenin’ity zazakely nisy naka an-keriny ity. Toy ny fanaon’izy ireo rehefa amin’ny fotoam-pianarana dia miaraka aminy any am-pianarana ity zanany kely ity, saingy taizan’ny mpanampy azy, tsy lavitra ny sekoly. Tamin’izany no nanaraoraotan’ilay ramatoa nisintonana ity zazakely. Raha ny fantatra hatrany dia ny reniny ihany, izay torana avy hatrany raha vao nilazan’ilay mpanampy ny zava-nisy, no nianatra tamin’io fotoana io. Nezahin’ireo mponina nojerena teny akaiky teny ihany saingy herim-po very maina izany. Hatreto dia mbola tsy hita ny misy ilay zaza. Mandeha amin’izao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ity zazakely ity, ataon’ireo mpitrandro filaminana.
m.L