- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefy : Kartie mobile manao fanafihana mitam-basy

Ampefy : Kartie mobile manao fanafihana mitam-basy

Tompon’andraikitra voalohan’ny andrimasom-pokonolona, na koa kartie mobile. Izay no voasambotra niaraka tamin’ny jiolahy tany Ampefy rehefa saika hanafika mpanankarena tao amin’ny Chute de la Lily. Azon’ny zandary mialoha anefa ny vaovao. Raikitra ny fisamborana. Tao anatin’izany dia mbola namaly tifitra koa ny jiolahy. Nifampitifitra ny roa tonta ka roa tamin’ireo olon-dratsy no lavo. Ny iray tamin’ireo dia voaporofon’ny mpitandro ny filaminana fa tompon’antoka tamin’ny famonoana ny Ben’ny Tanàna tamin’ny alalan’ny tifitra variraraka, raha tsiahivina kely tamin’ny taon-dasa. Ny iray izay azo sambo-belona kosa dia ilay kartie mobile. Izy indray dia nampianatrano sy nanampy ireo jiolahy tamin’ny fanaovana paik’ady amin’ny fanafihana rehetra izay hatao. Mampivarahotsana ny zava-mitranga satria andraikitra lehibe ary fitokisana ihany koa avy amin’ny olona no omena izany kartie mobile izany, mba hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Kinanjo izy ihany no mpamosavy malemy ao anatin’ny fiaraha-monina ka manao lasibatra izay olona tokony hotafihana. Mbola misy fito tafaporitsaka amin’ity raharaha ity ary mitohy araka izany ny fihazàna azy ireo any amin’izay mety ho toerana nitsoahany rehetra any.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici