- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefy : Nihovitrovitra ny tany, mihorohoro ny mponina

Ampefy : Nihovitrovitra ny tany, mihorohoro ny mponina

Toa hoe nifoha hono ilay volkano any amin’iny faritra Itasy iny ? Efa telo andro misesy tokoa izay, ny zoma, sabotsy ary alahady lasa teo dia tsy nitsahatra nihovitrovitra ny tany, tany amin’iny faritra Itasy iny, raha ny marimarina kokoa dia tao Ampefy. Raha ny filazan’ny mponina any an-toerana dia tato ho ato mihitsy, tapa-bolana lasa izay, no nahenoana fihovitrovitry ny tany matetika tany amin’iny faritra iny. Miverimberina foana izy io ary misesisesy. Tanana tokony eo amin’ny roa kilaometatra miala an’Ampefy eo, raha ny fitantaran’ny mponina hatrany no tena hahenoana izany mafy dia mafy. Ambonin’io fihovitrovitry ny tany io dia nilaza ihany koa ny radiom-paritra any an-toerana fa nahitana setroka nivoaka teo amin’ilay tendrombohitra, isan’ny avo indrindra any an-toerana, antsoina hoe Gasige. Misahotaka araka izany ny ankabeazan’ireo olona any an-toerana. Mandeha ihany koa mantsy ny tsaho fa toa hoe, nifoha, hono, ny volkano. Iny faritra iny mantsy dia fantatra fa toerana nisian’ny volkano fahiny. Mieli-patrana etsy sy eroa izany vaovao izany, indrindra fa nahazo ny tambajom-pifandraisana, ka vao mainka nampisy ny tahotra any amin’ireo mponina any amin’iny faritra iny. Voalaza hatramin’ny hoe efa misy ny fampitsoahana ireo mponina manakaiky ireo tendrombohitra. Kanefa matahotra, tsy matahotra ihany izy ireo, raha ny fitantarana olona avy any amin’iny faritra iny, satria tranga efa matetim-piseho tany aloha tany izany fa tsy vao haingana akory. Mahao matoky ihany koa anefa ireo olona any amin’iny faritra iny fa tsy hiseho mihitsy izany trangana volkano izany hatreto, raha ny voalazan’ireo manam-pahaizana manokana momba ny jeolojia. Raha ny filazan’ireo mantsy dia mbola tsy feno ireo fepetra rehefa mety hampifoha io volkano any Ampefy io. Raha ny herin’ny horohoron-tany farany teo, dia voalaza fa eo amin’ny 3,5 amin’ny maridrefy Richter, izay mbola ambany ihany fa raha toa ka sanatria misy izany fisian’ny fifohazan’ny volkano izany. Azo lazaina izany fa mbola afaka mandry ivohon’ny … tendrombohitra aloha ireo mponina any amin’iny faritra iny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser