Loza namoizana ain’olona tao amin’ny farihin ‘Itasy, ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Nisy olona telo avy amin’ny tananan’Ankaditiahena ka handeha ho any Ampefy. Nivadika anefa ny lakana ka latsaka tany anaty rano ireo mpandeha. Rehefa samy niezaka namonjy ny tenany dia tonga teny amin’ny sisin’ny rano ihany ny roa, fa ny lehilahy iray kosa nilentika. Natao ny fikarohana azy io, ary tonga nanampy ihany koa ny fokonolona saingy tsy hita izy. Nitohy ny ampitso ny fitadiavana io lehilahy io ka ny maraina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany no hita ny vatana mangatsiakany. Efa tsy nisy aina intsony moa ka tsy hita izay famonjena azo natao. Efa nantolotra ny fianakaviany ny razana.
A.R.