- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefy : Telo mianaka lasan’ny rano, zazakely iray maty  

Ampefy : Telo mianaka lasan’ny rano, zazakely iray maty  

Ny faran’ny herinandro lasa teo, tao Ampefy, mpivady, niaraka tamin’ny zanany menavava, vao am-bolana vitsy no tratry ny rano-trambo ka nentin’ny riaka. Maty vokatr’izay ilay zaza teny an-trotroana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana dia tokony ho tamin’ny iray ora atoandro teo no nitranga ny loza. Nikasa ny handeha hiampita tatatra kely mantsy izy ireo. Nahery vaika tampoka teo anefa ilay rano ka nitondra azy telo mianaka. Ireo fokonolona teny an-toerana no nahita ny zava-nisy ary niezaka haingana namonjy ireto tra-doza ireto. Ny teo anivon’ny zana-tobi-paritry ny zandary tao Ampefy kosa dia adin’ny ora taty aorian’ny nitrangan’ny loza vao nisy nampandre. Natao haingana moa ny famonjena ireto olona lasan’ny rano ireto ary avotra soa aman-tsara izy mivady lehibe na dia somary nanano sarotra ihany aza izany. Ilay zaza tsy manan-tsiny kosa no indrisy fa namoy ny ainy, noho ny fahasemporana tao anaty rano. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany tao Ampary moa izy mivady. Tsy misy ahiana ny amin’izy ireo, ary efa manaraka fitsaboana, raha ny vaovao azo hatrany. Ny vatana mangatsiakan’ilay zaza kosa dia efa nomena ny fianakaviana, taorian’ny fizahana nataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany. Kosa satria nisy aina nafoy dia tsy maintsy nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana, ka ny zandary avy eo anivon’ny zana-tobi-paritra ao Ampefy no miandraikitra izany, raha ny fantatra hatrany. Efa hiditra amin’ny fahavaratra tokoa isika amin’izao. Mila fitandremana fatratra ny resaka rano. Ka na dia azo lazaina fa tatatra kely aza, mety hamono sy hitera-doza ao anatin’ny indray mipi-maso monja. Toy ny nahazo ity raim-pianakaviana, niaraka tamin-dramatoa vadiny, izay nitrotro zaza, ny zanak’izy ireo vao valo volana monja, tao Ankidona, kaominina Ampefy, distrikan’i Soavinandriana ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici