Olana ara-pitiavana no nitarika azy hamoifo. Nisaoty tao amin’ny farihin’Itasy izy, teo amin’ny toerana iray mangingina, ny alatsinain’ny paska teo. Izy efa natsingevan’ny rano, tsy nihetsika intsony, vao nisy nahita. Isan’ny lalina ary miovaova be ny ao ambanin’ny farihin’Itasy noho izy vôlkanika. Sarotra arak’izany ny manavo-tena ao amin’ny ranon’I Kavitaha, anarana iray azo iantsoana azy ihany koa, raha olona tsy mahay milomano. Raha ny fanampim-panazavana avy amin’ny mpitandro ny filaminana dia 25 taona ilay lehilahy. Noho ny fisian’ny fahafatesana, na dia izy ihany aza hatreto no voalaza ho namono ny tenany, dia misy hatrany ny fanadihadiana izay nosokafan’ny mpitandro filaminana. Misy ary tena misy ny tanora mamono tena noho ny olana ara-pitiavana. Ireo mitelina fanafody no tena betsaka, raha ny tsikaritra amin’ny tarehimarika eo anivon’ny toeram-pitsaboana eto an-drenivohitra.
D.R