Efa hatramin’ny herinandro lasa teo no nikasa hemetraka “pylone” lehibe iray eny Ampihaviana ny orinasan-tserasera malaza iray. Eo afovoan-tanàna no saika hametrahana azy io saingy notoherin’ny fokonolona izany, raikitra ny sakoroka, tovolahy iray isan’ireo fokonolona no notsindromin’ireo mpiambina ny antsy.
Tamin’ny sabotsy toe no nisehoan’ity sakoroka ity tao Ampihaviana. Tsy nanaiky lembenana ny fokonolona na dia nikasa hametraka izany an-kery aza ireo mpiasa tonga teo.Raikitra ny kiririoka, olona maro be no tonga nanakana ny tsy hametrahana io “pylone” io. Resa-be miely mantsy fa miteraka tsy fahasalamana ho an’ny manodidina azy ny fisian’ireny “pylone” ireny. Saika efa mahalala izany avokoa mantsy na ireo olona heverina ho faran’izay bado aza. Toerana maromaro eto Antsirabe renivohitra rahateo no efa nokasaina hametrahana ireny “pylone” ireny fa soa ihany fa mailo ny mponina ary voasakana hatrany izany.
Ho an’ity tranga taminny sabotsy teo ity kosa dia niafara tamina fikasihan-tanana mihitsy ny hetsika nataon’ny fokonolona. Raha ny fitantaran’ireo fokonolona teny an-toerana, mpanera tany telo lahy no tonga vao maraina teo niambina ilay tany. Vao tonga teo ry zalahy ireo dia efa nanao endrika fihantsiana ady, satria nisehoseho ho bokona ary nanangana antsy maranitra. Nambaran’ireo fokonolona fa sady nanompa no nanao vava be ireo mpanera ireo nilaza fa tsy misy iraharahiany izay fokonolona fa ny vola miditra ihany ny azy no fantany. Teo no raikitra ny sakoroka ka tovolahy iray nifamaly tamin’izy ireo no avy hatrany dia notsindrominy antsy, dian’antsy telo no nihatra tamin’ity tovolahy ity. Nikoropaka nitondra ilay tovolahy tany amin’ny hopitaly haingana ny havany, soa aloha fa tonga ara-potoana tany amin’ny toeram-pitsabona ilay naratra ka avotra soaman-tsara ihany ny ainy. Vetivety koa dia tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nisambotra ilay nahavanon-doza.
Nilaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany ny hametrahana ilay “pylone” ireo fokonolana ao amin’ny fokontany Antsirabe Avaratra. Efa maro rahateo ireo nikasa hametraka izany eto Antsirabe tapon-tanana fa voasakan’ny mponina hatrany, andrasana kosa izay mety ho tohin’ity ao Ampihaviana ity.
Andry N.