- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmpihaviana Antsirabe : Trano roa indray kilan’ny afo

Ampihaviana Antsirabe : Trano roa indray kilan’ny afo

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora no nirehetan’ny trano iray voalohany, tao amin’ny fokontany Ampihaviana manamorona ny ara be mihazo ny fitsarana iny. Tsy nisy noraisina ny entana rehetra tao amin’ny efitrano ambony rihana ; izay nipoiran’ny afo voalohany. Renim-pianakaviana tompon-trano  iray no may teo amin’ny faritry ny tavany,ny tànany havanana sy ny lamosiny nandritra ny firehetan’ny trano. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy, fa ny fahasimbana no be, nivadika lavenona tao anatin’ny fotoana vitsy monja mantsy  ny fanana nohariana an-taonany maro. Tombanana an-tapitrisany ny fahavoazana, satria nilaza ny tompon-trano fa dia ny akanjo teny an-koditra sisa tavela. Naharitra ora telo vao maty tanteraka ny afo, raha ny fanazavan’ny tompon-trano, ny fokonolona teo amin’ny manodidina no nifanome tànana namono ny afo .

Fa ankoatra izay, dia trano iray hafa tsy dia mifanalavitra loatra amin’ny  voalaza etsy ambony ihany koa no may. Tokony  ho tamin’ny 3 ora sy sasany antoandro  indray no nanomboka ny firehetana. Trano iray ao amin’ny faritry ny minisiteran’ny rano sy ny ala ity may ity,fantatra fa mpiasa ao amin’ny minisitera ihany no monina ao, saingy tsy nisy tao ny tompon-trano tamin’io fotoana fa lasa any Antananarivo. Raha ny fanazavan’ny mpiray vodirindrina, dia vokatry ny herinaratra no nahamay ilay trano. Nisy fahatapahana naharitraritra mantsy ny jiro teto Antsirabe, omaly alahady. Fotoana vitsy monja taorian’ny fiverenan’ny herinaratra no nahare feon-javatra mirefodrefotra ny manodidina ary poa tahaka izay dia indro fa nidonak’afo ilay trano.  Voatery nopitsohan’ny fokonolona ny varavarana namonjena ny entana azo  nobataina. Vetivety koa anefa dia niitatra ny afo ary saika may avokoa ny efitra roa sy ny lakozia tao amin’ity trano ity.

Matetika loatra ny trano may teto Antsirabe tato ho ato izay, indrindra tamin’ity taona ity. Lesoka lehibe ho an’ny revohitry ny tanana anefa ny tsy mbola nahatongavan’ilay fiara mpamonjy voina ; izay nodradrain’ny ben’ny tanana Paul Razanakolona, fa ho avy tsy ho ela tao anatin’ny herin-taona, saingy indrisy fa nijanona ho kobaka am-bava fotsiny ihany.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici