- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Ankizy 11 taona, maty novoin’ny raikeliny

Ampitatafika : Ankizy 11 taona, maty novoin’ny raikeliny

Saika raikitra ny fitsaram-bahoaka. Ankizikely 11 taona no voalaza fa maty novoin’ny lehilahy iray voalaza fa raikeliny teny Avaratetezana Ampitatafika omaly maraina. Araka ny fantatra dia namoy ny ainy vokatry ny fatotra ity ankizikely ity. Namarika ihany koa ireo mponina teny an-toerana fa, efa mitondra takaitra amin’ny vono sy daroka mahazo ity ankizy ity. Raha vao nahatsikaritra ny fisehoan-javatra ireo manodidina dia saika hanampatra ny hatezerany tamin’ity lehilahy ity. Tamin’ny fahatongavan’ny zandary teny an-toerana, efa vatana mangatsiak’ity zazakely ity no niampatra eny am-pandriana. Nahitana faritra mangana teo amin’ny valahany. Nolazain’io lehilahy namono io sy ny vadiny, tamin’ny fanadihadiana azy ireo ny hoe maty natosiky ny zandriny teny amin’ny tohatra ilay zazakely. Tsy manamarina an’izany mihitsy anefa ny fitsirihana natao, manginy fotsiny ny filazan’ireo manodidina. Nentin’ny mpitandro filaminana avy hatrany ireto mpivady nahavanon-doza ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser