Ny sabotsy lasa teo, ankizy mianadahy no main’ny tariby nitondra herinaratra, tany Malaza Ampitatafika. Vokany namoy ny ainy teo ho no eo, ny zazavavikely iray vao telo taona monja, naratra mafy, ary mbola tsaboina eny amin’ny toeram-pitsaboana kosa, ny zokiny, ankizilahy sivy taona. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny mpitandro filaminana, dia variana nilalao teo an-tokotany ireto ankizy ireto tamin’io fotoana io. Nisy tariby nitondra herinaratra, niboridana anefa teo amin’ny toerana nilalaovan’izy ireo. Tariby izay nivoaka avy tao amin’ny trano mpifanolo-bodi-rindrina amin’izy ireo. Mazava ho azy amin’ny maha-zaza azy ireo, dia vao mainka nanatona teo ireto ankizy ireto. Noraisin’ny herinaratra avy hatrany izy mianadahy kely ireto. Ireto farany efa nitsitra teo an-tokotany vao hitan’ny olon-dehibe. Nezahina nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana anefa, saingy indrisy fa efa tsy izy ilay zandriny. Ilay zazalahy kosa, raha ny fantatra dia mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hôpitaly. Nahalasa saina ny maro ihany ny fisian’ity tariby mpitondra herinaratra niboridana teo an-tokotany ity, kanefa tsy nahataitra ireo tompony. Fantatra moa fa efa nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ireo mpitandro filaminana.
m.L