Teo amin’ny lala-mahitsy mifanandrify amin’i Malaza-Ampitatafika no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro ny asabotsy teo, raha avy any Analavory ka hiakatra eto an-drenivohitra ilay taxi-brousse no nivoaka ny làlana ary nivadibadika. Vokatr’izany dia namoy ny ainy ny zazakely iray ary naratra mafy ny olona am-polony. Notaterina maika tany amin’ny toeram-pitsaboana akaiky indrindra ireo naratra. Tonga teny an-toerana koa ny zandary ary nanokatra fanadihadiana avy hatrany. Raha ny fanazavan’ny olona izay isan’ny mpandeha dia tsy voafehin’ny mpamily intsony ny familiana noho ny fandehanana mafy hany ka raha vao nahazo fiolanana kely dia nivoaka ny làlana ny fiara ary nivadibadika. Tsy zava-baovao loatra izany amin’ireo fiara matanja-be izay hatao fiara fitaterana eto amintsika eto. Fiara izay natao hitaterana entana kanefa navadika ho fitaterana olona eto amintsika rehefa nasiana fitaratra sy seza. Tsy misy maharatsy izany kanefa kosa ny tanjany dia tena faran’izay mitari-doza raha vao mpamily tsy matotra na koa tia misetrasetra. Matetika mitranga izany amin’ny marika Sprinter sy Crafter izay heverina fa mila mpamily tena mahay ny mpitondra azy ireny mba tsy ho lasa vatampaty mandehandeha ho an’ny mpampiasa fitaterana, indrindra ny taxi-brousse.
D.R
Ampitatafika : Crafter nivadika, zaza iray maty
Articles qui pourraient vous intéresser