Fivarotana telo no nasesin’ny jiolahy notafihana teny amin’ny faritra Ampitatafika ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Teny amin’ny tanana ato hoe Tangaina no isy an’izany. Fivarotana zava-pisotra, mpivarokena ary mpivarotra iray hafa no lasibatra tamin’izany. Araka ny loharanom-baovao, very tamin’io hariva io ny vola hatrany amin’ny 800 000 ariary. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa nanapoka basy ireo mpandroba. Nahitana tranona bala telo teny an-toerana rehefa tonga ny mpitandro filaminana. Tsy nisy ny naratra, hoy hatrany ny vaovao. Raha vao avy nanagalatra izy dimy lahy dia lasa niala ny toerana. Tetsy an-daniny, tonga ny mpitandro filaminana marobe satria dia nahetsika ny avy amin’ny Emmo, ny zandary eny an-toerana. Natao ny fikarohana tamin’ny toerana midadasika eny Atsimondrano. Tsy mbola nisy tratra anefa ireo jiolahy hatramin’izao.
Nangonin’i r.s.