- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Efa navadika ho taxi ilay fiara very ary saika hamidy...

Ampitatafika : Efa navadika ho taxi ilay fiara very ary saika hamidy no tra-tehaka

Maty paika tanteraka ! Nandrasana hangingina ny raharaha vao napoitra sy nitadiavana mpividy ity fiara halatra, kanjo vao mainka sendra ny patsa iray tsy omby vava. Lehilahy iray, izay nikasa hivarotra fiara peugeot 309 halatra no tra-tehaka ny tao amin’ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy ny fiandohan’ny herinandro teo. Efa navadika ho « taxi » ity fiara ity kanefa mbola teo ihany ny famantarana tsy hay nokosehana fa fantatry ny tompony ihany, roa volana taty aoriana. Raha ny zava-nitranga araka ny tatitra azo avy amin’ireo mpanao fanadihadiana dia nitranga fahaverezana fiara tao amina fiantsonana iray teny amin’iny faritra Ambohitrakely iny. Fiara marika Peugeot 309 miloko manga. Rehefa nametraka fitairanana teny anivon’ny pôlisy ny tompon’izany fiara izay dia nisy olona roa noahiahiana voatery nosamborina teny an-toerana : ny mpamilin’ilay fiara niaraka tamin’ny mpiambina an’ilay fiantsonana. Taorian’ny famotorana nataon’ireo mpitsara dia voatery nampidirina am-ponja vonjimaika ilay mpamily. Nanome baiko anefa ny fitsaràna hitohizan’ny fanadihadiana ataon’ny pôlisy. Roa volana katroka taty aoriana, dia nisy nandefa filazàna teny amin’iny faritra Ampitatafika fa hoe mivarotra fiara taxi Peugeot 309. Fantatry tamina marika sy ny angom-baovao fa ilay fiara very teny Ambohitrakely ihany ity voalaza fa hamidy ity. Napetraka ny velam-pandrika hanjoana izay olona tao ambadika mivarotra izany ary dia lehilahy iray, antsoina hoe R …, 38 taona no voampaingotra. Nilaza moa ity farany fa hoe tsy azy ilay fiara fa an’ny rahalahiny. Nentina natao famotorana avy hatrany moa ranamana. Tsy mbola mijanona hatreo anefa fa mbola mitohy ny fikarohana araka ny voalazan’ireo pôlisy hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici