
12 lahy ireo jiolahy, nanao amboletra tao amina tokantrano iray tetsy Malaza Ampitatafika, namono nahafaty ny tompon-trano ary nibata izay zakany.
Tamin’ny 11ora sy sasany alina teo no niseho ny fanafihana ny alatsinainy teo. Jiolahy 12 mirongo kalaky, tsy misaron-tava, ary manao fanamiana mpitandro filaminana izy ireo, raha ny fitantaran’ny tompon-trano. Nodakany ny varavarana, ary avy hatrany dia ny vola no notakiany raha vantany vao tafatsofoka ry zareo. Tsy nisy afa-tsy raim-pianakaviana niaraka tamin’ny vady aman-janany no tao ambany. Nodarohany vodi-basy io lehilahy io, avy eo notifirina in-droa teo amin’ny feny. Nandre izany ireo mpivady tao ambony, avy hatrany dia nidina. Nanana basim-borona ny tompon-trano, izay frantsay sy miaramila misotro ronono. Tsy nanam-potoana namaliana anefa ity farany fa avy hatrany dia ny balan’ireo jiolahy no niantefa teny amin’ny lohany, nanaparitaka ny atidohany. Maty tsy tra-drano io teratany vahiny io. Tany amin’ny hôpitaly kosa vao namoy ny ainy ilay lehilahy voatifitra teo amin’ny feny. Ny lalandrà teo amin’ny feny no voan’ny bala ka tsy nahafahana nitazona ny ainy intsony, noho ny fahabetsahan’ny rà very. « Mbola vola sy rà indray no notakiana taminay aloha. Raha ny tokony ho izy, efa misy vonona mialoha ao » hoy ny solontenan’ny fianakaviana. Ny fotoana nanomana an’ireo no tsy nahatazonana intsony ny ain’ity rain-jaza vao amam-bolana ity.
Naharitra teo amin’ny antsakadiny teo ny fanafihana raha ny fantatra hatrany. Nitsoaka kosa ireo jiolahy rehefa avy nibata sy naka izay zakany : solosaina, finday, fakan-tsary sy fitaovana maromaro, firavaka volamena ary vola vahiny sy malagasy maromaro koa. Nangoniny ary nentiny kosa ireo taim-bala avy nitifirany. Lasa ihany koa ny basin’ilay vazaha, niaraka tamin’ny bala. Adiny iray tao aorian’ny fanafihana, vao tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana raha ny voalaza hatrany. Efa nadio ela anefa ny rano nitan’ireo mpanafika. Voamarika kosa anefa, tamin’ny fidinanay teny an-toerana, fa tsy lavitra ny tobin’ny zandary ity toerana nisy ny fanafihana ity. Mbola nahitana antsibe, izay voalazan’ireo tompon-trano fa tsy azy tao an-trano ihany koa. Isan’ireo fitaovam-piadiana hadinon’ireo jiolahy tamin’ny fahamehany hitsoaka angamba.
m.L