- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Fiara 4x4 nivadika, namoizana ain’olona roa

Ampitatafika : Fiara 4×4 nivadika, namoizana ain’olona roa

Potika tanteraka tahak’izao ilay fiara tsara tarehy (sary : zandarimariam-pirenena)

Loza mahatsiravina indray no nitranga tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny. Valo kilaometatra monja tsy ahatongavana eto an-drenivohitra. Fiara tsy mataho-dalana iray, handeha hiakatra an’Antananarivo no tafiala lalana ary nivadibadika teny an-tanimbary, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo. Potika tanteraka tsy nisy noraisina ity fiara ity, ary voatery nosokirina tao anatiny ireo olona fito nentin’izany fiara izany. Ny roa tamin’izy ireo moa, indrisy fa tsy maty tsy tra-drano vokatry ny dona nahazo azy ireo, raha nentina nezahina namonjy toeram-pitsaboana haingana kosa ireo olona dimy hafa naratra vokatr’izany loza izany. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena, izay tonga haingana teny an-toerana, nanampy tamin’ny famonjena ireto olona tra-doza izao dia fianakaviana iray izy ireo. Avy namonjy lanonam-pamadihana tany Antsirabe, ny omalin’ity loza ity, ary nikasa ny handeha hody aty an-drenivohitra. Nihodina teo Ambohibary, niala ny lalam-pirenena fahafito, nihazo an’i Faratsiho ary nipaka Soavinandriana, tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny moa ny lalan’izy ireo tamin’izany. Asa na hoe hiala ireo lalan-dratsy tamin’iny RN7 iny fa somary maika. Teo amin’io lala-mahitsy, efa kilaometatra vitsy tsy hiditra ny renivohitra, teo Ampitatafika izy ireo no izao niharan-doza izao. Raha ny fanazavana nomen’ireo zandary dia ankevitry ny faharerahan’ny mpamily, noho ny lalana lavitra sy ny fety aman-danonana natrehina, niampy torimaso fotsy no nahatonga ny mpamily niala ho azy tamin’ny lalana ary io niafara tany an-tanimbary io. Raha ny fahapotehan’ny fiara ihany no jerena dia azo heverina fa tena nandeha mafy ihany izany 4×4 izany. Marihana fa renim-pianakaviana 38 taona sy ramatoa efa lehibebe ihany, 73 taona ireto namoy ny ainy ireto. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary dia mbola nisy roa tamin’ireo naratra no tsy nahatsiaro tena, saingy efa tsy misy atahorana intsony ny amin’izy ireo, rehefa nahazo fitsaboana sahaza azy, niaraka tamin’ireo hafa naratra, raha ny vaovao hatrany. Satria nisy ain’olona nafoy dia efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity lozam-pifamoivoizana ity ataon’ireo tompon’andraikitra

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici