Jiolahy roa avy nanafika teny amin’ny faritra Ambohimamory no nifanehatra tamin’ny polisy teny amin’ny tetezana Ampitatafika, ny alatsinainy faha-4 aogositra lasa teo. Raha vao nahita ireo mpitandro filaminana izy roalahy dia rifatra nandositra sady nitifitra. Namaly avy hatrany ireo polisy. Tafatsoaka anefa ny iray tamin’izy ireo fa ilay faharoa latsaka tany anaty rano. Teo no ho eo ihany dia natao ny fikarohana azy fa tsy hita izay nanjavonany. Tonga nanampy ny polisy ny zandary eny an-toerana fa niala maina io alina io. Tamin’ny alakamsiy dia izao hita faty izao izy. Izany Solobararatra izany no ahafantarana azy, hoy ny vaovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana. Hita tany aminy ny saron-tava iray sy lakile. Tsy nisy taratasy milaza ny momba azy tany aminy.
Raha tsahivina ny zavatra niseho talohan’ny fifampitifirana dia sahala amin’izao. Ny alin’ny alatsinainy faha-4 aogositra tamin’ny 12 ora sy sasany dia nisy poa-basy nisesisesy teny Ambohimamory. Maro ny olona nahare izany ka anisany ny polisy avy ao amin’ny commissariat Itaosy. Tsy niandry fa nandeha nizaha ny zava-nisy izy ireo, izay nanao fisafoana amin’ny alina. Rehefa tonga teo amin’ny fokontany Ambohimanarina dia nahita olona nitangorona teo amoron-dalana. Rehefa nanontaniana ireo olona ireo dia nanondro ny tokantrano iray nisy nanafika. Nanatona ny toerana voatondro ny polisy ka fantatra fa teo amin’ny fitolahy no tonga nanafika, nitondra basy Kalachnicv roa sy P.A iray. Nanao ramatahora tamin’ny alalan’ny fanapoahana basy impito izy ireo. Natoron’ny olona ny lalan’ireo jiolahy nandositra ka nanao savahao eraky ny tanàna ireo mpitandro filaminana. Niditra elakelantrano, ka rehefa tonga teo avara-tetezana Ampitatafika dia nifanehatra tamin’ny roalahy. Vao nahatazana ny Polisy izy roa lahy dia nandeha nandositra sady nitifitra. Teo no nampianjera ny iray tany anaty rano.
nangonin’i r.s.