Ny alina, manao ny asa ratsiny mamaky trano ny lehilahy, ny atoandro kosa, mivarotra ireo entana halatra ireo vehivavy. Voatsinjara tsara ny asa. Miandahy miambavy mihitsy araka izany ireo olon-dratsy eny amin’iny faritra Ampitatafika iny. Antony nahatonga ireo pôlisy nanao hetsika hamongoran izany. Ny alatsinainy sy talata lasa teo, jiolahy mpamaky trano valo mianadahy no voasambotry ny pôlisy teny an-toerana. Ny alin’ny 25 desambra lasa teo mantsy, tokantrano maromaro no vaky teny amin’iny faritra Ampitatafika iny. Efa somary fantampatatry ny rehetra ihany ny tompon’antoka tamin’izany ka dia noraisim-potsiny tany an-tranony teny Ampefilohany lehilahy iray antsoina hoe Dany. Tamin’ny famotorana natao azy dia niaiky ny zavatra nataony ranamana ary nanoro ireo mpiray tsikombakomba taminy. Araka ny fantatra dia tsy ity Dany ity no tena tompon’antoka tamin’ireo famakiana trano fa namany hafa. Ireo vehivavy kosa no fanaterana ny entana halatra sy mpivarotra izany. Mbola tratra tany amin’ireto farany moa ny karazana entana sy kojakoja an-tokantrano marobe. Samy niaiky ny zava-dratsy vitany izy rehetra ireto. Natolotra ny Fampanoavana omaly ireto mpamaky trano kalaza ratsy sy mpamerin-keloka ireto ary nadoboka am-ponja miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo. Marihana ity Dany ity sy ny namany iray hafa dia efa jiolahy hikoizana ary efa nisazy noho ny resaka vono olona nitranga tany Ambatofotsy, ny taona 2006
m.L


