- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Lehilahy 60 taona maty teo amoron-dalana

Ampitatafika : Lehilahy 60 taona maty teo amoron-dalana

Omaly maraina be no nahitan’ny olona fatin-dehilahy teo amoron-dalana teny Ampitatafika. Tapaka ny tongony sy ny tanany ary araka ny fahitana azy dia nodomina fiara izy io. Ankevitry ny efa tamin’ny alina no niseho ny loza fa izay nandona azy tsy hita fa lasa nandositra. Tsy vao izao no nisy toe-javatra andrenesana fandosiran’ireo mpitondra fiara tsy mandray andraikitra.

Fa ankoatra izany, nisy lozam-pifamoivoizana niseho koa teny Ambohimahitsy, eny amin’ny “Ma Colline”, omaly hariva. Kamiao iray tapata “frein” no nisosososo nidina ilay lalana avy any ambony iny. Vokany, olona roa no voadonany ka naratra : ankizy iray sy vehivavy.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser