dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Lehilahy avy namonjy mariazy maty voatsindrona antsy

Ampitatafika : Lehilahy avy namonjy mariazy maty voatsindrona antsy

Tsindrona antsy teo amin’ny tratrany no nahafaty an’i Lalaina. (Sary Yvon)
Tsindrona antsy teo amin’ny tratrany no nahafaty an’i Lalaina. (Sary Yvon)

Anatranatra no natao azy, zavatra hafa no nandraisany izany.

Loza no niseho taorian’ny fampakaram-bady iray tany amin’ny tanàna antsoina hoe Saomanana Ampitatafika ny asabotsy lasa teo. Lehilahy iray no fantatra  fa maty noho ny tsindrona antsy nahazo azy. Na dia nandositra kosa aza ilay nahavanona ny loza dia tsy lasa lavitra dia voasambotry ny zandary.

Nisy mariazy tao an-tanàna tamin’io andro io. Anisan’ny voaasa tao ho solontenan’ny fianakaviana ny lehilahy antsoina hoe R. Lalaina. Araka ny fitantaran’ny vadiny, vetivety ihany dia vita ny lanonana. Rehefa nirava izany dia nifankahita tao amina trano fisotroana iray ny mpinamana maromaro. Anisan’izany ity olona maty ity. Rehefa nandeha teo anefa ny resaka dia nisy lehilahy iray nomen’ireo niaraka taminy anatranatra. Voalaza moa fa tsy an’asa izy io nefa dia mamelona vady aman-janaka. Tsy fantatra anefa izay niseho tany an-dohany tany fa lasa nandeha nivoaka izy. Tsy naharitra ilay antsoina hoe Lalaina fa nanaraka azy, araka ny fitantaran’ny vadiny ihany. Tany ivelany tany no niseho ny zavatra tsy nampoizina. Naharay antsy ilay olona nanarina ary nasiany tamin’iny ilay nanaraka azy. Nisy moa ny fanamarihana fa misy rohim-pihavanana izy ireo. Olona efa nitolefika sy nivoa-drà no hitan’ilay vehivavy rehefa avy eo. Rehefa nojereny dia mbola nilentika teo amin’ny ilan- tratrany havanana ny antsy nanindronana azy. Taitra tamin’izany izy ka dia nesoriny io. Vao mainka nandeha ny rà. Nitady olona izy hitondra ilay naratra ho any amin’ny hopitaly. Farany nahita fiara ihany. Mbola naharesaka tsara ilay maratra. Teny an-dàlana, anefa, hoy ihany ny vadiny dia nanomboka tsy nahateny intsony izy. Na izany aza anefa dia tonga teny amin’ny hopitaly Ampefiloha ihany. Ankeviny efa fantatry ny mpitsabo fa tsy namana intsony izy tamin’izay fotoana izay rehefa avy nojereny. Ary dia maty tokoa ilay olona. 31 taona , manan-janaka telo izy ary 8 taona ny lehibe indrindra. Fantatra ihany koa fa mpianatra “communication” eny amin’ny oniversite ity lehilahy ity.

Tetsy an-danin’izany, raha vao avy namely antsy an’i Lalaina ilay lehilahy dia lasa nandositra tany amin’ny toerana antsoina hoe Tangaina Ambodifasina. Maro ireo naman’ilay voatsindrona antsy no nandeha nitady azy tany ary dia hita tokoa. Efa nampandrenesina koa anefa ny zandary teny an-toerana. Vetivety ihany koa ireo dia tonga. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa raha tsy tonga angamba ireo mpitandro filaminana ireo dia nisy zavatra hafa saika niseho teny an-toerana. Samy tezitra avokoa mantsy ny rehetra. Efa tazonina atao famotorana any amin’ny biraon’ny zandary ilay nahavanona ny loza.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser