- Publicité -
jeudi, juillet 31, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Lehilahy hita faty tao ambany tetezana

Ampitatafika : Lehilahy hita faty tao ambany tetezana

Lehilahy iray indray no hita faty tao ambany tetezan’Ampitatafika omaly maraina manodidina ny tamin’ny enina ora sy sasany. Mpanasa lamba hanao ny asany andavanandro teny no nahatsikaritra voalohany ny fisian’ny razana ka nampiantso avy hatrany ny fokonolona. Ireto farany avy eo no niantso ny zandary mba hijery ifotony ny zava-misy. Nidina teny an-toerana araka izany ny zandary avy ao amin’ny Borigady Ampitatafika narahana dokotera hanao ny « constat » sy ny fizahana farany ny razana. Rehefa avy nakarina an-tanety ilay lehilahy natsingevan’ny rano ary nirosoana ny fizahana dia fantatra fa « noyade accidentel » na fianjerana anaty rano tsy nahy no nahafaty ity farany. Vinavinaina ho manodidina ny tamin’ny efatra ora sy sasany, ny marainan’ny omaly, no fotoana nahafaty an’ity farany raha ny filazan’ny dokotera hatrany. Marihina fa tsy nahitana ratra na diam-bono teny amin’io lehilahy io nandritra ny fizahana natao azy. Mbola voatahiry tany am-paosiny kosa ny kara-panondrony nahafahana namantatra azy. Fantatra araka izany fa lehilahy 48 taona, avy any Ambohibary Sambaina ity farany ary manofa trano eny amin’ny manodidina an’Ampitatafika eny ihany. Marihina fa efa lasan’ny fianakaviany ny razana.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici