Ny alin’ny sabotsy tokony ho tany amin’ny 9 ora, nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona teny Ampitatafika. Lehilahy no fantatra fa voahosin’ny fiara ary vaky mihitsy ny lohany. Tsy nisy nahita ny fisehoan’ny loza satria voalazan’ny vaovao fa tsy nijanona ny fiara nanosy an’ity olona ity. Fiara hafa handeha haka lansantsy tsy lavitra ny toerana no naihita ilay voadona nivalapatra teo amin’ny arabe. Ny olona tao anatiny no nampandre ny manodidina. Tonga teo ny tompon’andraikitry ny fokonolona eny an-toerana. Nitangorona marobe ny mponina. Efa tsy nisy azo natao intsony anefa. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana. Efa alina ihany koa izy ireo vao tonga nijery ny zava nisy. Olona nandalo ilay toerana no nasaina nampiakatra ny razana teny amin’ny sisin-dalana. Rehefa izany dia samy niandry teo ny rehetra. Omaly maraina efa tamin’ny 10 ora tany ho any vao nisy naka teo ny razana ary nalefa eny amin’ny tranom-paty HJRA.
Araka ny efa voalaza ery ambony, tsy nisy nahita ny fisehoan’ny loza. Matetika amin’izao fotoana izao, rehefa misy loza indrindra amin’ny alina, na nandratra io na nahafaty olona, maro ireo mpamily tsy sahy mandray andraikitra mihitisy fa tonga dia lasa mitsoaka fotsiny izao.
Lehilahy eo amin’ny 30 taona mahery eo ity namoy ny ainy ity.
r.s.