Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’iny faritra Ampitatafika iny, ny alarobia alina lasa teo. Môtô nentina miaramila niaraka tamin’ny namany no nodonin’ny fiara be iray teny an-toerana, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany alina teo ho eo. Vokany, naratra mafy ireo mpitandro filaminana roa lahy. Ny iray tamin’izy ireo, dia mbola tsy mahatsiaro tena, raha ny angom-baovao azo. Tetsy andanin’izay kosa anefa, dia tsy nijanona velively ilay fiarabe fa mbola nanohy ny diany sy niezaka nandositra ihany.
Samy handeha hiakandrefana izy ireo, raha ny fampitam-baovao voaray, na ilay kodiaran-droa nentina miaramila na ilay fiarabe. Rehefa tojo lala-mahitsy anefa ity fiarabe, dia nikasa ny hisongona an’ireo mpitondra môtô. Teo am-pisongonana mihitsy anefa no nisy fiara nifanena ka niala izany ilay fiarabe ary avy hatrany dia namantana tany amin’ilay môtô. Nianjera vokatr’izay dona nahazo azy izay ireo mpitondra môtô, saingy tsy noraharahan’ny mpamilin’ilay kamiao akory. Ny olona sendra nahita no niezaka namonjy azy ireo, ary nitondra azy haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Nampandrenesina ihany koa ireo zandary misahana jny faritra iny ka tonga nijery ifotony ny zava-nisy. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fikarohana ity mpamily nahavanon-doza ity.
m.L