- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Mpanakalo devizy maty nisy namono

Ampitatafika : Mpanakalo devizy maty nisy namono

Vola efatra tapitrisa ariary saika hatakalo vola 4000 euros no namonoan’ireo olon-dratsy ity lehilahy iray mpanakalo devizy, tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka. Roa volana mahery taty aorian’ity tranga mampivarahontsana, izay niseho tetsy Ankaditany Ampitatafika ity, nivaly ny famotorana. Voasambotra ireto tsy valahara : lehilahy iray tompon’ny atidoha ary vehivavy iray mpiray tsikombakomba taminy.

Ny talata lasa teo no voasambotra tetsy Anosy, nanoloana ny hôpitaly Hjra, ny lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Zamany, tompon’antoka sy atidoha nikotrika tamin’ity vono olona feno habibiana nitranga ny 4 janoary lasa teo ity. Taorian’ny angom-baovao isan-karazany sy ny vela-pandrika natao azy, tsy afa-niala intsony tao anatin’ny haraton’ireto zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Fenoarivo ingahirainy. Talohan’io mantsy, efa nibaboka ary niaiky tanteraka fa niray tsikombakomba tamin’ity farany ny vehivavy iray, havan’ny mpampiasa azy ihany tamin’ny famonoana io mpanakalo devizy io. Mpiambina tanàna ao amin’io fianakaviana io ity olon-dratsy ity.

Raha tsiahivina ny zava-nitranga, tamin’io voalohandohan’ny taona io, lehilahy iray 34 taona, mpanakalo devizy etsy Analakely no maty nisy namono ary hita faty teo Ambohitrandriana, ao amin’ny fokontany Ankaditany, kaominina Ampitatafika. Ny omalin’io  nahita ny vatana mangatsiakany io izy no nisy nahita farany, araka ny fanadihadiana nataon’ny zandary, ary nandeha taxi-moto, ho any Ampitatafika, ary tsy azo antso intsony taorian’izay. Nanomboka teo ny fanadihadiana lalina nataon’ireo zandary, nentina nikarohana izay nahavanon-doza. Tsy maintsy niainga tamin’ireo antso nifanaovany matetika tao anatin’ny findainy izany ary niverimberina matetika talohan’ny nahafatesany io ny laharana iray. Mora tamin’ireo mpanao famotorana ny namantatra ny tompon’ny laharana sy ny toeram-ponenany, izay nahavariana ihany fa tsy dia lavitra loatra ny toerana nahitàna ny razana. Nalaina am-bavany avy hatrany ity tompon’ny laharana ity. Vehivavy izy io, izay nilaza sy niaiky fa azy ny finday saingy nampiasain’i Zamany, mpiambina ny tanànan’ny fianakaviany. Nilaza ihany koa ity ramatoa ity fa ity farany no namono io lehilahy io. Tamin’ny famotorana an’i Zamany, hoy hatrany ny angom-baovao no nahalalana fa tetika efa nomanin’izy ireo ity hamandrika mpanakalo devizy ity. Efa fantany mialoha mantsy io lehilahy ary nasainy tonga tany an-tranony, mody nilazàny fa hanakalo vola vahiny 1000 euros. Kapa famaky teo amin’ny lohany ary fira antsy teo amin’ny tendany anefa no niandry ity lehilahy ity. Nifampizaran’izy ireo avy hatrany ilay efatra tapitrisa tany am-balahan’ny maty avy eo, ka iray tapitrisa no anjaran’ilay vehivavy.

Marihana fa omaly moa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ity mpamono olona ity, araka ny fampahafantarana azo hatrany. 

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici