Nisehoana lozam-pifamiovoizana tamin’ny alahady alina tamin’ny 9 ora, teny Malaza Ampitatafika, amin’ny lalam-pirenena volaohany. Vokany, mpianaka tao anaty fiara no indray namoy ny ainy, lehilahy iray 42 taona sy ny zanany lahy, 4 taona, niaraka taminy. Maratra mafy ihany koa ny vadin’ilay rangahy ary mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao. Miady amin’ny fahafatesana io ramatoa io. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa fiara kely iray, R4 avy any andrefana ho aty an-drenivohitra no nifandona tamina fiara lehibe iray. Voalaza fa samy nandeha mafy ireto fiara ireto. Mafy dia mafy ny fifandonana. Mbola maro ny fiara nandalo tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza ka ireo nahita maso no niezaka nitondra ilay vehivavy tany amin’ny hopitaly. Ireo namoy ny ainy kosa moa tsy azo natao inona intsony.
r.s.