Novonoiny ho faty ary naleviny teo ambanin’ny lavarangan’ny tokotaniny. Tamin’ny voalohany dia nolazainy fa namono tena tamin’ny asidra ilay vehivavy sakaizany ka rehefa hitany fa maty dia nanamboarany lavaka teo an-tokotany mba handevenana azy. Rehefa nitohy ihany ny famotorana azy dia niova indray ny fanazavana. Teo mantsy dia nanomboka efa nazava tamin’ny zandary ny zava-nisy, dia ny vonoan’olona. Ny antony dia satria voamarin’ny dokotera nizaha ny razana fa nisy faharatrana ny vatan’izany. Potika be ny lohany. Novain’ilay lehilahy voarohirohy indray ny fanazavany nandritra ny fihainoana azy. « Naverina nohenoina izy ka nilaza indray fa rehefa nisotro asidra ilay sipany dia nitsipatsipaka ka nokendainy sy notampenany ny vavany. Rehefa maty dia nofonosiny tamin’ny lambam-pandriana sy nofatorany tamin’ny tadin-kiraro, nanamboarany lavaka teo ambany lavarangana, nosaronany tamin’ny gonin-tsaribao ary nototofany », raha ny tatitry ny zandary momba ity raharaha ity. Na ilay fanambaran’ilay lehilahy tamin’ny voalohany na ilay faharoa dia efa azo nitazomana azy avokoa. Ny voalohany dia tsy nitondra famonjena ho an’ny olona tandindomin-doza izy rehefa nijery fotsiny ilay vehivavy namono tena. Momba ilay faharoa indray dia namono olona mihitsy izy rehefa hoe nokendainy sy notampenany ny vavan’ilay vehivavy mandra-pahafaty azy. Notazomina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ity lehilahy nahavanon-doza ity.
D.R