Efa tena vonona tanteraka tamin’ny fitaovana ireo jiolahy. Vitan’izy ireo hatramin’ny nanofa fiara Sprinter mba hentina hanatontosana ny fanafihana tetsy Ampitatafika. Fianakaviana izay mivelona amin’ny fivarotana « pâte jaune » no niharan’ny asa ratsy. Mivarotra ambongadiny an’izany izy ireo, ary mpamatsy entana eny amin’ny tsenan’Anosibe no. Efa narahin’ireo olon-dratsy maso izany asa izany ary tonga hatramin’ny fanafihana tao an-tokantrano tamin’ny voalohan’ny martsa lasa teo. Olona valo izay mitazona sabatra no tonga nanatontosa izany. Tsy vitan’ny herisetra fotsiny no nitranga, fa tonga hatramin’ny famonoana ho faty. Ny antony dia satria niantso vonjy ny vadiny ary nahatezitra ireo jiolahy izany ka nahatonga azy ireo namono hatramin’ny farany ilay raim-pianakaviana. Nezahana nentina teny amin’ny hopitaly ihany izy mba ho fanavotana ny ainy, saingy tsy nisy azo natao intsony. Rehefa nisokatra ny fanadihadiana dia nivoaka tsikelikely, fa nisy firaisana tsikombakomba tamin’ny mpiasa eo anivon’ity fianakaviana ity ihany ilay fanafihana. Nisy ny fisamborana izay nisesy araky ny fivoaran’ny fanadihadiana. Olona valo no voasambotra tamin’ity raharaha ity. Hatramin’ny mpamily ilay fiara nofaina aza dia tao anatin’ny notazonin’ny zandary. Isan’ny fanazavana azo ny momba ny toerana izay nanaovan’izy ireo fivoriana talohan’ny nanafihana. Teny Anosizato-Atsinanana izany ary mbola nifoka rongony avokoa aloha ilay ekipan’olon-dratsy talohan’ny nidinana an-tsehatra. Vita izay, dia niroso nankeny amin’ilay trano hatao lasibatra amin’izay ary nandatsa-drà olona. Voasambotra ny valo tamin’ireo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny heloka bevava tetsy Ampitatafika ankehitriny. Mbola mitohy na izany aza ny fanadihadiana, satria mbola misy olon-kafa voakasika.
D.R