Herinandro taorian’ny nitrangan’ny fahafatesana taorian’ny fankalazàna aniversera tetsy Ampitatafika, nanapa-kevitra ny fianakavian’ny artista iray izay namoy ny ainy fa nametraka fitoriana. Fanahiana fanapozinana no anton’izany ary dia miandràndra arak’izany izy ireo ny mba hivoaran’ny fanadihadiana ka hipoiran’ny marina. Raha tsiahivina dia mpanakanto roa no namoy ny ainy taorian’ity fety ity ary nitovy tanteraka ny fisehon’ny fahavoazana izay nitarika ny fahafatesana. Mivelona tanteraka amin’ny maha-artista azy ireo olona ireo ary na ny tarika izay nitendren’izy ireo ary dia voatery nanajanona fifanarahana maro vokatry ny fahabangana tampoka. Hatreto dia ny whisky nosotroina no ahiana ho tsy milamina ary betsaka ireo artista hafa izay naneho hevitra momba izany rehefa isan’ny nandray anjara tao amin’ilay fety. Raha voamarina fa tsy manara-penitra io toaka io dia mila fandraisana andraikitra avy hatrany ny manala ny toy izany eny amin’ny toeram-pivarotana rehetra satria loza mitatao ho an’ny mpanjifa.
D.R