- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Nitsoaka ny fiarakodia nahafaty olona

Ampitatafika : Nitsoaka ny fiarakodia nahafaty olona

Ny fanasàna mariazy teny aminy no nahafahana niantso ny fianakaviany.

Mitady ho fomba fanao tanteraka ilay mitsoaka rehefa avy tompon’andraikitra amin’ny lozam-pifamoivoizana. Ny alin’ny alakamisy teo no nitranga izany tetsy Fenoarivo-Ampitatafika. Maty nitsirara teo amin’ny arabe ny rangahy iray efa lehibe rehefa nodomin’ny fiara izay tsy nijanona akory raha vao nahita fa lozam-pifamoivoizana no nitranga. Ny olona izay sendra nandalo no niezaka namelona ilay rangahy izay feno ratra. Teo ihany anefa dia efa hita fa tsy izy intsony izy, tsy tàna ny ainy. Nifanome tanana ny olona nanatitra ny razana teny amin’ny tranom-paty. Tsy nisy taratasy momba azy ilay olona namoy aina. Fanasàna mariazy izay notahirizina tsara tany aminy no hitan’ny olona. Nantsoina ny laharana izay nipetraka teo ary iny no nampita tany amin’ny fianakaviany izay naka ny razana omaly. Mazava hoazy fa misy ny fanadihadiana mba hahafahana mety mamantatra izay tompon’andraikitra amin’ity raharaha ity. Tsy vitan’ny lozam-pifamoivoizana tsotra intsony mantsy no nitranga fa mitombo avy hatrany ny fiampangana raha vantany vao nitsoaka andraikitra ny mpamily. Miainga amin’ny fanontaniana ny olona izay mety ho nahita ny fiara na ny mpamily izany ary koa mety hiompana amin’ny fampiasàna ny raki-tsary ho an’izay nampiasa « vidéosurveillance » tamin’ny fotoana izay nifanakaiky tamin’io lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona io. Ilaina ho lasa lavitra kokoa ny fanadihadiana mba hahitàna ny mpitsoaka andraikitra sy tsy mpanara-dalàna. Ho lasa fanaon’ny mpamily misetrasetra mantsy izy ity raha tsy misy voasambotra ka voasazy mafy. Any ivelany dia isan’ny tena tahotry ny mpampiasa làlana ny mandona olona noho ny sazy izay mafy ary tsy misy irika hialàna amin’izany. Lasa mirindra hoazy ny fifamoivoizana noho izany ary vitsy ny loza izay mitranga.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici