Fa inona ity mitranga ankehitriny ity ? Tsy nisy fifamaliana, tsy nisy ady kanefa avy hatrany dia notifirin’ireo roa lahy nitam-basy ny roa hafa izay nifanena taminy. Voa teo amin’ny kibony ny iray raha mba nahavita nanavo-tena nitsoaka kosa ilay namany. Ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva, nisy roa lahy nivoaka ny toeram-pisotroana toaka (bar), teo Atsimombohitra-Ampitatafika. Nifanena tamin’ny olon-tsotra roa hafa ireo raha nivoaka ilay toerana. « Inona ny vandravandrain’ialahy isany » izay no fanontaniana napetrak’ireo handeha hivoaka ny bar. Vao tsy nisy valiny akory, dia efa nivoaka ny basy ary notifiriny ireo roa lahy. Voa teo amin’ny kibony ary nianjera tamin’ny tany ny iray raha tafatsoaka kosa ny faharoa. Taitra ny olona raha nandre ny feom-basy ary vory faran’izay haingana. Nahita izany ireo olon-dratsy dia rifatra nitsoaka. Nisy nampandre ihany koa ny zandary izay nanao ny fanarahana azy roa lahy ; izay samy mbola tsy nisy tratra aloha. Maty tsy tsa-drano ilay lehilahy naratran’ny bala ary niboraka hatramin’ny taovany. Raha ny fijerin’ny olona ny zava-nisy, dia nikasa ny handroba ilay toeram-pisotroana ireo roa lahy ireo. Saika hivoaka kely hijery ny manodidina ary mailo avy hatrany raha vao nahita ireo olona roa tsy manan-tsiny izay hiditra ao anatiny. Notifiriny avy hatrany ary io niteraka faty olona io ny zava-nitranga. Mitaraina tanteraka ny olona ankehitriny satria na hiala voly kely aza dia mety ho fatin’ny jiolahy. Ny zava-misy anefa dia toa tsy mifanandrify loatra amin’izany ny laharam-pahamehan’ny tompon’andraikitra amin’ny ady amin’ny jiolahy. Sady matimaty foana izay sendran’ny olon-dratsy ary izay tsy mbola sendrany kosa mitaintaina lalandava. Inona ny fandrosoana azo eritreretina amin’ny tsy filaminan-tsaina ? Ho an’ny tompon’andraikitra sasany aza moa, dia mbola lazaina indray fa tsaho ny fanafihana anaty taxi-be kanefa nisesy izany ary nampitaraina ny maro…
D.R