Mbola manaraka fitsaboana etsy amin’ny hôpitalin’Ampefiloha ity rangahy ity, rehefa avy nanatsatoka antsy ny tenany. Tsy misy atahorana intsony ny ainy, hoy ny fanazavana azo.
Tsy mbola anjarany tokoa angaha ny ho faty ! Lehilahy iray manodidina ny 40 taona any ho any no indroa namono tena omaly. Tsy fantatra mazava aloha hatreto izay tena olana mianjady aminy, nahatonga azy hitady fatratra an-drafahafatesana tahaka izao. Ny hany fantatra dia voaporofo tokoa fa tsy tompon’ny aina isika. Saika tsy tanteraka hatramin’ny farany foana mantsy izany fikasany hamono tena izany. Na nisy nahita ity farany na avotra tamin’ny ora farany.
Araka angom-baovao azo tokoa mantsy, ny marainan’ny omaly dia efa nikasa ny hitsoraka tao anatin’ny ranon’i Sisaony ny lehilahy, hamono ny tenany. Ankevitry ny nisy nahatsikaritra angamba ka tsy tanteraka ary avotra soa aman-tsara. Tsy nionona tamin’izay anefa fa mbola notozoiny hatrany ny fikasany handao ity tany ity. Teo imason’ny rehetra, tsy lavitra ny tetezana, teo Avara-tetezanana, hoy ny teo anivon’ny zandary, no notsindrominy tamin’ny antsy ny tendany. Nandriaka tanteraka ny rà, namonto ny toerana nisy azy ary nitolefika ny lehilahy. Mazava ho azy, iaraha-mahalala ny habetsaky ny olona mandalo amin’izany toerana izany ka vetivety dia nisy nahita sy namonjy izy. « Niasa tsy lavitra teo ny zandary, hoy ny fanazavana azo, ka raha vao nahare ny vaovao dia tonga avy hatrany, namonjy ity olona tra-doza ity. Zandary roa lahy no nitondra azy haingana namonjy ny vonjy taitran’ny hôpitaly ». Raha ny fampitam-baovao azonay omaly dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ity lehilahy ity. « Na dia azo vinavinaina aza hoe fikasana hamono tena ny an’ity rangahy ity dia tsy maintsy manokatra ny fanadihadiana mahakasika izany izahay.» hoy hatrany ny fanazavana azo teo anivon’ny zandary teny an-toerana. Marihina fa mponina eny amin’iny faritra manodidina iny ihany ity rangahy ity.
m.L