- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Renim-pianakaviana voahitsaky ny kamiao, nipotsaka ny atidohany

Ampitatafika : Renim-pianakaviana voahitsaky ny kamiao, nipotsaka ny atidohany

Nandriaka indray ny rà, teny amin’iny faritra Ampitatafika iny, omaly antoandro. Renim-pianakaviana iray tokony ho 40 taona any ho any no maty tsy tra-drano, rehefa voahitsaky ny fiarabe iray teny an-toerana. Mbola nitrotro ny zanany izay vao am-bolana monja, ity ramatoa ity no tojo izao loza mahatsiravina izao. Saingy nipitika lavitra ary mba tsy naninona ilay zaza. Avy nanatitra mpianatra ity renim-pianakaviana ity, ary an-dàlana hody, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Tamin’io fotoana io indrindra anefa, raha sendra niampita arabe iny ny tenany no nisy fiarabe iray, izay mpitaona fasika no nifanitsy taminy. Voafaoka tamin’izany izy mianaka kely ireto. Nipitika ilay zaza, saingy izy kosa, nianjera tsy lavitr’ilay fiara. Nentin-tahotra tamin’ny loza nitranga ihany koa ny mpamily ka niezaka nanitsy ny fiarabe nentiny. Tamin’izay indrindra indray anefa no voarain’ny kodiarana ilay ramatoa, ary voatety teo amin’ny lohany. Namonto ny arabe ny rà, ary nipotsaka mihitsy aza ny atidohan’ity renim-pianakaviana ity, teo ambany vesatr’ilay fiara. Na dia niezaka namonjy  azy aza ny olona, dia tsy nisy azo natao intsony. Namoy ny ainy teo noho eo ihany ilay vehivavy. Efa nentina tany amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly tetsy Ampefiloha moa ny razana. Noraisin’ireo mpitandro filaminana an-tànana kosa ny fanadihadiana sy famotorana ilay mpamily nahavanon-doza.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici