- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika – RN7 : Kamiô nivadika, ramatoa iray naratra mafy

Ampitatafika – RN7 : Kamiô nivadika, ramatoa iray naratra mafy

camionFa dia misy inona loatra ary eo amin’ireo tetezan’ny lalam-pirenena faha-7 ireo ? Fanontaniana saika eo am-bavan’ny maro rehefa misy loza mitranga eo amin’ireo faritra iray. Ny marain’ny Asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 5ora tany ho any, kamiô « remorque » iray no diso làlana, ka nianjera tany anaty rano, teo amin’ny tetezan’Ampitatafika, alohan’ny hiditra an’i Sambaina iny. Araka ny vaovao re teny an-toerana dia kamiô, saika ho hankaty Antananarivo izy io ary nitondra simenitra 37 taonina. Araka ny fanazavana ihany, noho ny zavona maraina, ka tsy nahitana izay mitsinjo teo aloha mihitsy no nahatonga ny loza. Ilay « remorque » notarihiny no nivoaka ilay tetezana ny kodiarany ka nisarika ny lohany, hianjera tany anaty rano. Vokany, vehivavy iray, 48 taona, tompon’ny orinasa hitondrana an’ireo simenitra ireo no naratra mafy. Afaka nitsambikina kosa ilay mpamily ka tsy naninona. Ity ramatoa ity no hany sisa tavela tao amin’ilay lohan’ilay kamiô, ka izao namparatra mafy azy izao. Nentina niakatra avy hatrany ity ramatoa ity, araka ny voalazan’ireo nanatri-maso, ary mbola tsy fantatra ny toe-pahasalamana, araka ny re hatrany. Potika tanteraka, niaraka tamin’ilay kamiô kosa ireo entana nentiny. Araka ny fitantaran’ireo mpampiasa iny lalam-pirenena iny dia niteraka fitohanana, nahatratra hatrany amin’ny iray kilaometatra tany ho any ity lozam-pifamoivozana ity, nitranga teo amin’io tetezana io, satria dia voabahana tanteraka ity farany. Mitaky fahamailona sy fitandremana amin’ny mpampiasa làlana rehetra ihany ity loza ity, indrindra ireo mpandeha vao maraim-be iny, amin’ny filtsaky ny zavona sy fanala, izay mety hanakona tanteraka ny fahitana.

Mike L.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser