- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Taxibe nifaoka môtô sy bisikleta, olona roa maty tsy tra-drano

Ampitatafika : Taxibe nifaoka môtô sy bisikleta, olona roa maty tsy tra-drano

Nandriaka vao maraina indray ny rà tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny, tetsy Antanimenabe Ampitatafika. Olona roa no namoy ny ainy, maromaro ny naratra ary misy ireo mbola miady aman’aina, raha ny fanazavana azo. Ireo no vokatry ny fivadihana taxibe iray teny an-toerana rehefa avy nifaoka bisikleta ary nandona môtô ity farany.

Avy aty an-drenivohitra handeha hiankandrefana ity taxibe ity no niharan-doza  tokony ho tamin’ny fito ora maraina tany ho any. Mazava ho azy, efa hihazo lalana malalaka amin’iny vahalavan’Ampitatafika iny no niseho tampoka ny loza. Raha ny fanazavana azo mantsy dia nandeha mafy ihany izany fiara mpitatitra izany, ary nikasa ny hisongona mpitondra môtô teo alohany tamin’io fotoana io. Tamin’izay fotoana izay indrindra anefa no nisy bisikleta nipoitra tampoka, nifanena taminy, teo am-pisongonana ilay môtô. Tsy voahitsaka intsony ny hisatra, tsy voafehy ihany koa ny familiana, ary tsy tana ny loza. Rehefa avy nifaoka ilay bisikleta teo alohany ny fiara, dia somary nitongilana ary nikasoka tany môtô, avy eo nikivilavila ary niafara tamin’ny fivadihany. Tao anatin’ny indray mipi-maso avokoa izany zavatra rehetra izany. Noho ny hamafin’ny dona, nisy tamin’ireo mpandeha tao anatin’ilay fiara mpitatitra no nipitika tafavoaka ny fiara, raha nambaran’ny nanatri-maso ary voatsindry. Tovovavy iray, maty tsy tra-drano. Tafakatra am-polony teo kosa ireo naratra tao anatiny. Tetsy andanin’izay, tsy tana intsony ihany koa ny ain’ilay mpitondra bisikleta, izay nipitika lavitra mihitsy. Lehilahy indray izy io. Ary potika tsy nisy noraisina ny tongomaladiny. Tamin’io fotoana io ihany moa dia efa nezahin’ireo nahita novonjena haingana tany amin’ny hôpitaly ireo olona naratra tao anatin’izany fiara niharan-doza izany. Nisy tamin’izy ireny, hoy hatrany ny angom-baovao azo no tena voa mafy tokoa. Efa tonga teny an-toerana avy hatrany taorian’ny fampandrenesena azy ireo moa ny tomponandraikitry ny filaminana eny an-toerana, ireo zandary avy ao Ampitatafika sy Fenoarivo. Ilay mpamily kosa, raha ny voalaza dia tsy naninona, ary tamin’io fotoana io, taorian’ny loza dia nandeha haingana nitolo-batana teny amin’ny biraon’ny zandary, natahotry ny mety ho fihoaram-pefin’ireo nanatri-maso. Efa nosokafana moa ny fanadihadiana mahakasika ity loza ity. Notanana ary natao andrimaso eny amin’ny biraon’ny zandary, ho amin’ny famotorana ingahy mpamily.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici