Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny vola sy ny teti-bidin’ireo entana lasan’ireto olon-dratsy nandritra ny fanafihana nihatra tamin’ny tokantrano iray teny Antanimenakely, Ampitatafika. Ny hany hita aloha, araka ny loharanom-baovao akaiky ny fanadihadiana dia nisy ny olona iray naratra. Tompon-trano izay niezaka niaro ny fianakaviany sy ny fananany.
Araka izany tokoa dia nitrangan’ny fanafihana indray teny amin’iny Atsimondrano iny ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Tokantrano iray teo Fenoarivo, araka ny voalaza etsy ambony no lasibatra teto. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa efa-dahy ireo mpanafika, izay nitondra fitaovam-piadiana. Amboletra araka ny mahazatra no nahafahan’izy ireo niditra tamin’io trano ity, niaraka tamin’ny fandrahonana isan-karazany. Mba niezaka nanao izay vitany tamin’ny fibahanana ireo mpanafika ny tompon-trano saingy atody miady amam-bato. Naratra vokatr’izay izy. Nanao izay danin’ny kibony tamin’izay izy ireo, nibata sy nangorona izay entana sarobidy hitany tao amin’ity trano ity, ary nitsoaka toy ny tsy teo rehefa nahazo izay nilainy. Taorian’io moa vao afaka niantso vonjy ireo voatafika. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny avy eo anivon’ny zandary ary niezaka nanao savahao ny manodidina : ny lalana, ny elakelan-trano isan-karazany teny an-toerana. Saingy toy ny mahazatra hatrany ihany koa dia nanjavona ho azy, toy ireny nampiasàna « magie » ireny ireo olon-dratsy. Maraina ihany ny andro fa tsy nisy hita ireo mpanafika. Amin’ny toe-javatra tahaka izao dia mazàna mianona amin’ny vokatry ny fanadihadiana sisa ireo mpitandro filaminana izay nandray an-tanana izany. Na izany aza, mitohy ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto.
m.L