- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Tovolahy nangalatra « compteur », nidoboka am-ponja vonjimaika

Ampitatafika : Tovolahy nangalatra « compteur », nidoboka am-ponja vonjimaika

COMPTEURTovolahy iray tratra nangalatra « compteur » no nidoboka am-ponja vonjimaika omaly hariva. Raha zohina ny tena zava-niseho, mody mampitady trano hofaina io tovolahy io. Rehefa nahita iray izy dia niroso tamin’ny fanaovana ny fizahana ilay trano raha mifanaraka aminy na tsia. Nolazainy tamin’ny tompon’ilay trano amin’izay fa horaisiny ilay trano fa tiany. Rehefa tonga ary ny fotoana hitaomany entana dia andrasany tsy misy olon-dehibe intsony eo amin’ny manodidina an’ilay trano vao tonga izy maka ny fanalahidin’ilay trano. Mody miroso amin’ny fandrefesana ny varavarana izy nony avy eo fa ampidirany entana hono. Miditra ao izy ary maka antsokosoko ny « compteur »- n’ilay trano dia mirifatra mitsoaka tsy mipoitra intsony nony avy eo. Vonoiny ny findainy ka tsy misy azon’ny tompon-trano atao intsony. Tapa-bolana aty aoriana anefa, izany hoe ny talata 2 aogositra lasa teo, sendra nahatazana azy tampoka teny Ampitatafika ilay tompon-trano ka nampiantso ny zandary. Avy hatrany izy ireo dia niroso tamin’ny fisamborana ity farany. Rehefa nosavaina ny tranon’io tovolahy io dia tra-tehak’ireo zandary dia tao daholo ilay « compteur »n’ny Jirama izay efa niasa niampy ny faktiora fampidirana jiro ary « fil » maromaro. Rehefa nohadihadiana anefa ilay tovolahy dia nilaza fa mpiasan’ny Jirama ny tenany ary mpiara-miasa aminy ao ihany no nahazoany ireo entana ireo. Tsy nisalasala nanantona sy nanadihady ny tena fandehan-javatra teny amin’ny Jirama noho izany ny zandary Ampitatafika Atsimondrano misahana ity raharaha ity. Voamarina tamin’izany fa tsy mpiasa ao velively ity tovolahy ity ary faktiora sandoka avokoa ireo faktiora tratra tao an-tranony ireo. Ny tenany ihany no nanao sonia izany. Voamarina ihany koa fa « compteur » very teny Fenoarivo ka saika hamidiny io « compteur » nangalariny io. Noho ny fanalam-baraka sy halatra ary fisolokiana nataon’ity tovolahy ity dia nitory azy ihany koa ny Jirama ankoatra ny fitarainan’ilay tompon-trano very « compteur ». Araka izany, any am-ponja no miandry ny fotoam-pitsarana azy ilay tovolahy.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici